Any Ivelany

Angovo nokleary Hiara-kiasa i Frantsa sy Sina


  • Alarobia 10 Janoary 2018

Nanao sonia fifanarahana i Frantsa sy Sina ny talata teo ny amin’ny fananganan’ny orinasa Areva foibe famokarana angovo nokleary ao Sina, nandritra ny fitsidihan’ny filoha Frantsay Emmanuel Macron tany Pekin. Mety hananosarotra ny orinasa Areva ny fananganana azy ity. Mety hahatratra 10 lavitrisa euro ny sarany.


Fahalafosan’ny vidim-piainana

Nidina an-dalambe ny mpanohitra any Tonizia

Noho ny fampiharana ny lalàna mahakasika ny tetibolany 2018 any an-toerana dia nisy ny fiakaran’ny hetra alaina ka miteraka fiakarana amin’ny vidin-tsolika, fiara, ny saran’ny antso amin’ny telefonina sy ny aterineto ary ireo maro hafa. Nidina an-dalambe ireo mponina amina tanàna maromaro manohitra izany ka olona iray no maty ary am-polony no voasambotra. Nisy ihany koa polisy maromaro naratra nandritra ny fifandonana teo amin’ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny polisy.

Pologne

Minisitra 2 nosoloina

Ny minisitry ny fiarovana Antoni Macierewicz sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny Witold Waszczykowski, izay anisan’ny lehibe amin’ireo mpikamban’ny governemanta Poloney dia nosoloina ny minisitry ny Atitany teo aloha Mariusz Blaszczak i Jacek Caputowicz minisitra lefitry ny raharaham-bahiny

Tafika – Korea roa tonta

Miverina ny fifandraisana an-telefaonina

Séoul sy Pyongyang dia nanapa-kevitra nandritra ny fifampiresahana voalohany tao anatin’ny 2 taona omaly talata fa hosokafana ny fifandraisana ara-telefonina eo amin’ny tafika raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra iray ao Korea atsimo, andro vitsivitsy taorian’ny fisokafan’ny fifandraisana ara-telefonina eo amin’ireo sivily

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT