Any Ivelany

Angletera sy Frantsa Manamafy fiaraha-miasa


  • Zoma 19 Janoary 2018

Nitsidika an’i Angletera omaly alakamisy i Emmanuel Macron hiatrika ny fihaonamben’ny fifandraisana eo amin’ny Frantsay sy i Britanika miaraka amin'ny praiminisitra Theresa May.


Hanamafy fifanarahana vaovao entina hanampiana sy hanavaozana ny efa nisy teo aloha ny fihaonana. Mikendry ny hanohitra ny hamaroan'ny fifindra-monina tsy ara-dalàna any Royaume-Uni amin'ny alalan’ny fanamafisana ny fanaraha-maso avy any Frantsa sy Londres vita sonia tamin’ny 4 febroary 2003 izy ity.


Perou

Hahazo fanomezana manokana ny Papa François

Hanome  fanomezana “arc” sy flesy ny Papa François anio ny vondrom-piarahamonina Perovianina iray any Perou raha ny nambaran’ireo solontenan’izy ireo, mba hahafahan’ireo vondrom-piaramonina manantena ny fanampian'ny Papa François amin’ny fakana ny tanindrazany izay efa nohajariany an-taonany maro ka nalain’ny fanjakana Perovianina

 

Pakistan

Nisy namono ny mpanao vaksinin’ny Polio

Vehivavy 2 miasa amin’ny fandaharan’asa mahakasika ny vaksiny hiadiana amin’ny lefakozatra no maty tany atsimo andrefan’i Pakistan. Tsy fantatra moa izay nahavanon-doza. Araka ny tsilian-tsofina dia ireo islamista no tompon’antoka, satria mihevitra izy ireo fa mpitsikilo nokaramaina ireto vehivavy ireto


EMIRATES

Hividy Fiaramanidina A 380 miisa 36

Anisan’ireo matanjaka sy lehibe indrindra maneran-tany ny kaompaniam-pitaterana Arabo Emirates izay nanafatra fiaramanidina A380 miisa 36 any amin’ny orinasa Airbus izay mitentina 16 lavitrisa dolara. Ny lehiben'ny kaompania, Sheikh Ahmed bin Said al-Maktoum, dia nanombatombana fa hanome lanja ny famokarana A380 izay efa saika hiato . Ireo fiaramanidina ireo moa dia hanoloana ny sasany amin'ireo A380 miasa amin'izao fotoana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT