Any Ivelany

Andro ratsy sy kotro-baratra Nirehitra ny Cercle Mess Iavoloha


  • Zoma 15 Novambra 2019

Nirehitra ny trano fivorian’ny miaramila (Cercle Mess), tsy lavitry ny Lapam-panjakana eny Iavoloha omaly hariva.

 

Noho ny andro ratsy sy ny kotro-baratra dia nisy ny fipoahana nateraky ny herinaratra (court-circuit) raha ny fanazavana nataon’ny Fiadidian’ny Repoblika. Io no niteraka firehetana, izay tena goavana raha ny fahitan’ny olona azy avy lavitra satria tena nidedaka ny afo ary nanetroka be ity toerana ity. Henjana ny fahavoazana raha dinihina amin’izay. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina na dia somary tara aza, ka nifanampy namono ny afo izy ireo sy ny miaramila. Lapam-panjakana izany tokony hisy fiarovana sy famonjena voina manokana, kanefa toa mpamonjy voina avy eny Tsaralalana no tsy maintsy nankeny. Tsy nisy fiantraikany tamin’ny Lapam-panjakana sy ny faritr’ala manodidina ity toe-javatra niseho ity, araka ny fampitam-baovaon’ny fiadidian’ny Repoblika. Tsiahivina fa ny volana oktobra 2014, dia efa nisy tranga mitovitovy tamin’izao teny amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra nirehetan’ny biraon’ireo mpanamboatra lapa hazo somary ambanin’ny Banky Foibe.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT