Any Ivelany

Andrana vaksiny any Eoropa 12 hatramin` ny 18 volana vao fantatra raha mandaitra


  • Sabotsy 25 Aprily 2020

Royaume-Uni sy Allemgne no nanomboka ny andrana vaksiny ho fanefitry ny COVID-19 any Eoropa omaly.

 

 

 

 

Ny oniverisite Oxford no misahana ny fanatanterahana ny vaksiny. 23 tapitrisa euros ho an`i Royaume Uni manokana ny tohana ara-bola. Nanome alalana ihany koa ireo tompon'andraikitra momba ny fikarohana ara-tsiantifika any Allemagne ka ny orinasa Biotech, izay mifandray amin`ny laboratoara Amerikanina, no misahana ny fanatanterahana an` izany.Olona manolo-tena manodidina 18 taona hatramin` ny 50 taona no tadiavina ireo orinasa mba hanaovana izay andrana izay. Amin` ny dingana manaraka dia an-tapitrisana ireo olona ilaina hahafahana manamarina ny fandairana ny vaksiny. 12 hatramin` ny 18 volana ny faharetana ny fahafahana manamarina ny fandairana ny vaksiny iray, hoy hatrany ireo manampahaizana. Marihana fa tany Sina dia efa tamin` ny tapakin` ny volana martsa no nisy andrana vaksiny saingy tsy mbola nivoaka ny voka-pikarohana raha toa ka efa nanao andrana roa samihafa ny tao Etazonia.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT