Any Ivelany

ANDRAIKIBA-ANTSIRABE: TOVOLAHY NANAO TOURNAGE, MATY AN-DRANO


  • Zoma 14 Desambra 2018

Namono olona indray ny farihin'Andraikiba omaly alakamisy 13 desambra 2018 tolakandro.

 

 

Raha ny angom-baovao dia tovolahy maromaro avy aty an-drenivohitra ireto nanao andiany nidina taty Antsirabe ireto mba hanodina horonantsary. Raha ny fantatra dia toa somary nisotrosotro izy ireo nialoha ny fanodinana ny sary vao niroso tamin'ny fakana sary. Nisy ary ny fihetsika nitsambikina nankao anaty rano dia niaraka avokoa ireo tovolahy, saingy tsy hita ilay iray ka teo vao fantatra fa hay tsy nahay nilomano ranamana. Natao ny fikarohana. Tamin'ny 2 ora sy folo no tsy hita izy ary efa tamin'ny 4 ora latsaka vao hita ny fatiny. Izy irery no maty fa ireo namany niara-nisaoty taminy kosa velona avokoa. Nifanome tanana tamin'ny fikarohana ny razana ireo mponina tao Andraikiba sy ireo sambokely mpampilalao olona ao Andraikiba.

 

Caius R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT