An’arivony matin’ny kôlera any Afrika ny Kôlera

Naato ny sambo mitondra olona avy any Kaomoro


  • Alatsinainy 05 Febroary 2024

Mamely mafy any Afrika amin’izao fotoana izao ny valanaretina « Choléra ».

Mandindona antsika satria efa nahitana tranga tatsy amin’ny Nosy Kaomoro nanomboka ny 01 febroary 2024 teo, ary ahiana ho efa miparitaka be. Hatramin’ny omaly, efa nisy olona 2 maty, ary miisa 7 kosa ny tranga voamarina. Isan’ny firenena mifandray amintsika mivantana amin’ny alalan’ny fitaterana an-dRanomasina anefa i Kaomoro, ka ahiana ny hahatongavan’io valanaretina io aty amintsika. Vokany, niato vonjimaika manomboka ny 3 febroary 2024 ny fidiran'ny sambo mpitatitra olona avy atsy Kaomoro mankao amin'ny faritra Boeny. Mahazo mandeha kosa ny sambo mpitatitra entana saingy manaja ny fihibohana mandritra ny 15 andro mandra-pahandraisan'ny mpitsabo fepetra. Miato vonjimaika ihany koa ny sidina rehetra avy atsy Mayotte, izay misy fifampitakosenana amin’i Kaomoro rahateo. Noraisin'ny tomponandraikitra isan-tokony ao amin'ny faritra Boeny io fanapahan-kevitra io ho fiarovana ny fahasalamam-bahoaka, manoloana ny fisian'io valanaretina "Choléra" io. Nohamafisina ihany koa ny fepetra ara-pahasalamana ahafahana misoroka ny aretina. Anisan'izany ny fametrahana kojakoja fanasan-tanana amin'ny seranam-piaramanidina sy ny fandrarahana ranom-panafody amin'ny entana vao tonga, hoy ny fampitam-baovao. Mampivarahontsana ny tarehimarika any amin’ny firenena 10 eo aty Afrika. Raha ny tatitry ny Direction Régionale de la santé d’Anjouan ao anatin’ny departemantan’i Kaomoro ny 01 febroary teo dia an’hetsiny ny maty, ary an’arivony maro no efa maty ny volana janoary 2024. Nahitana tranga 56 615 tao RD Congo, ary nahatratra 609 ny maty. Malawi nahitana tranga 59 106 ka 1 771 ny maty ; Mozambika 46 566 ka 189 maty ; Afrika Atsimo 10 76 ka 46 no maty ; Tazanie nahitana trangav 1 253 ka 26 ny maty ; Zambie 14 116 nahatratra 14 116 ny voa ary 662 no namoy ny ainy ; Zimbabwe 20 447 ny tranga ary 425 ny maty. Tany amin’ny faramparan’ny taona 90 sy no isan’ny tena namely atsika ny kôlera, izay tena nampivarahontsana, ary tena namely ny tany mahantra, saingy io miverina mandravarava any Afrika io indray. Ny loto sy havoretrana, ny sakafo tsy ara-pahasalamana sy maloto, ny fangerena ankalamanjana,… no isan’ny mampiparitaka azy amin’ny ankampobeny.
Toky R

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

  • Dimy andro
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

aty aorian’ny fipoahany

Hijery ny tohiny
FTT