Lavon’ny Tfma Ankasina tamin’ny isa 13 – 9 ny Tam Anosibe omaly alahady 17 desambra teo amin’ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga rugby tetsy amin’ny kianjan’i Malacam Antenimena.
Lavon’ny Tfma Ankasina tamin’ny isa 13 – 9 ny Tam Anosibe omaly alahady 17 desambra teo amin’ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga rugby tetsy amin’ny kianjan’i Malacam Antenimena. Lalao nifandanja sy nadio tanteraka ary nampitaintana fatratra ny mpijery nameno an’ity kianja ity no nasehoan’ny roa tonta saingy nisy mpijery sasantsasany mpomba ny andaniny sy ankilany tsy nahafehy ny fihetseham-pony sy fifandrangitana ka nifandratra mafy taorian’ny lalao. Tamin’ny fanatrehana an’ity lalao ity koa no nilazan’Atoa Zo Andriatsilavo filohan’ny federasiona teo aloha ny heviny mahakasika ny savorovoro misy eo anivon’ity taranja ity ka nanambarany fa “samy olon-dehibe daholo ireo mpitantana an’ity lalao ity ankehitriny ka tokony hifandamina hibanjina ny tombontsoan’ireo tanora mpilalao”. Nanambara kosa Atoa Ravelojaona Andry La Pie filohan’Antananarivo-Rugby fa izy dia vonona ny hihaona amin’ny filohan’ny Malagasy Rugby na anio dia anio aza raha ny resaka hampandrosoina an’ity taranja ity no hifampidinihana. Izaho kosa anefa, hoy izy, dia manambara etoana fa tsy hiala amin’ny toerana maha-filohan’ny ligy ahy fa hanohy hatrany ny famaranana ny fiadiana ny ho tompondaka ny Top 9. 4 taona, hoy Andry La Pie, no fe-potoana nahavoafidy ahy fa tsy 2 taona sy 2 volana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.