Any Ivelany

Ambasadaoron’i Royaume-Uni Nisafidy ny hampiasa fiara Karenjy


  • Alarobia 10 Jona 2020

Nampahafantatra ny fiarany ny Masoivohon’i Raoyaume-Uni eto Madagasikara Atoa Phil Boyle, ary reharehany mihitsy ny naneho tao amin’ny tambajotra Twetter, fa fiara vita Malagasy no ampiasaina.

 

 

 

 

 Ny fiara marika Karenjy vokarina any Fianarantsoa no nosafidian’io Diplaomaty io hiasana, ka nolokoina ny sarin’ny sainam-pirenena Anglisy ny tampony. Zava-dehibe sy mendri-piderana ny tahaka izany. Mendrika hojifaina ny vokatra Malagasy tahaka ireny. Misy ireo orinasa lehibe izay matetika ana vahiny no manjifa ny Karenjy, ary hatrany ampitan-dranomasina dia ahitana ity karazana fiara Malagasy ity. Raha tena mipetraka ny fitiavan-tanindrazana sy finiavana hampandroso ny indostria Malagasy, dia ny manam-pahefana sy ny mpitondra Malagasy no mipetraka ho fitaratra amin’ny fanjifana azy ireny, fa tsy maika ny hividy ireo fiara raitra vahiny. Ny zava-misy eto amintsika, dia ny vahiny aloha izao no mbola manome lesona antsika sy maneho fa tsara sy mendrika hotiavina ny vokatra Malagasy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Faha-250
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

Hijery ny tohiny
FTT