Any Ivelany

ALLEMAGNE HIVIDY “BOUCLIER ANTI-MISSILE” AMIN’I ISRAEL


  • Zoma 08 Aprily 2022

Nahazo fankatoavana avy amin’i Israel sy Etazonia ny fividianan’I Allemagne, fitaovam-piadiana fiarovana amin’ny tifitra balafomanga na “Bouclier anti-missile”.

Ny marika Arrow 3 Iron Dome na koa atsoina amin’ny anaram-bositra “Dôme de fer”, izay vita Israelianina no hovidian’izy ireo. Io izay afaka misakana “missile balistique” mandeha amin’ny haavo mihoatra ny 100 km. Afaka manakana ny “missile” na balafomanga mahatody halavirana 2400 km. Ny orinasa IAI izay miara-miasa amin’ny Boeing no namokatra azy io, ary nambaran’ny fampahalalam-baovaon’ny Jérusalem Post fa azon’i Israel atao ny mivarotra azy any ivelany. Ity Arrow 3 ity no isan’ny voasokajy ho mahomby sy mifandraika indrindra amin’ny fiatrehana ny loza mandindona, izay manindry ny firenena Eoropeanina ankehitriny, araka ny fanambarana nataon’ny lieutnant-général Ino Gerhartz.
FATY NIKARARANA TANY BOUTCHA
TENA TSY LEVON’NY VAVONIN’NY ONU
Mitohy ny fanehoan-kevitra iraisam-pirenena momba ireo fatin’olona nikararana maherin’ny 400 tany Boutcha Ukraine ny herinandro lasa teo. Taorian’ny fialan’ny tafika Rosianina no nahitana azy ireo, ka nanasokajian’ny Firenena Mikambana (ONU) sy ny firenen-dehibe maro fa mitombina ny fisian’ny vonomoka. “Ny rehetra mihitsy no efa tohina tanteraka”, hoy ny Sekrtera Jeneraly lefitry ny ONU misahana ny raharaha maha olona Martin Griffits, izay nanamafy tamin’ny ben’ny tanànan’i Boutcha, fa ny dingana manaraka, dia ny fidirana amin’ny fanadihadiana lalina. Nidina tany Kiev ny Sekretera Jeneraly lefitry ny ONU, nijery ifotony toe-draharaha. Etsy andaniny, nanamafy ny saziny ho an’I Russie ny Amerikanina, ka nanapa-kevitra hanageja ny fananan’ny Banky goavana miisa roa indray. Mitombo ny sazy, ary nilaza I Etazonia fa ny mafy sy henjana mbola tsy natao tamina firenen-kafa no efa mandeha amin’izao, ary azo hamafisina. Manodidina ny 600 ireo orinasa Amerikanina efa nangoron’entana tany Russie.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT