AHOANA NO NATAON’NY HAFA ?

Rwanda avy rotiky ady an-trano,


  • Alakamisy 05 Febroary 2026

tafarina sy fitaratra aty Afrika

Firenena avy rotiky ny adim-poko sy fifamonoana na « génocide » izay nahafatesana olona 800 000-1 000 000 i Rwanda tany amin’ny taona 1994. Lasa firenena modely amin’ny fampandrosoana ara-toekarena. Firenena sokajiana ho tsara tantana indrindra aty afrika ary modely amin’ny ady amin’ny kolikoly ankehitriny. Azo lazaina ho salama tsara ny toekareny ary anisan’ny 3 voalohany mafy indrindra aty Afrika. Avy niaina ady an-trano sy adim-poko goavana anefa ity firenena ity ny taona 1994. Ka ahoana ary no nataon’izy ireo nahafahany nihavana, niray hina ary niasa mafy ka lasa nivoatra sy nandroso ?
FIHAVANANA, TAN-DALANA, FIARENANA,…
Tsy maintsy niroso tamin’ny dingan’ny fikaonandohanm-pirenena sy fampihavanam-pirenena ny 1994 ka hatramin’ny 2012. Nametraka ny firaisam-pirenena, natomboka ny fifampidinihina sy fifampiresahana, fitsarana isam-bohitra ireo nahavita heloka, tsy fanasaziana fotsiny no natao fa fampianarana azy ireo hiverina ao anatin’ny fiarahamonina ihany koa. Nametraka rafi-pitatanana hentitra, mety nosokajiana ho didy jadona mihitsy aza ny fitondran’i Paul Kagame. Faran’izay henjana ny ady amin’ny kolikoly natao tany Rwanda ary mbola mitohy mandrak’ankehitriny. Napetraka drafitra sy lamin’asa manaraka tetiandro mazava sy mamaritra hoe inona no tena laharampahamehana (Plan stratégique national). Tsy maintsy nojerena ny fomba hananana fitoniana ara-toekarena, ary hentitra amin’ny fanarahamaso ny fanjakana. Nobeazina ny vahoaka hiasa sy manana toe-tsaina tia karokaroka, mametraka fanamby amin’ny zavatra atao ny Rwandais ary ao anatin’ny fiombonana sy ny firaisankina no hanaovana izany. Natao mipaka hatrany ambanivolo sy ny tanana rehetra ny toromarika avy amin’ny fitondrana foibe, samy mahafantatra ny andraikiny sy ny tokony ataony ny olom-pirenena. Ny tantaran’i Rwanda dia manaporofo fa ny fitoniana ara-politika, ny fitantanana hentitra ary ny paikady mazava dia afaka mamadika firenena avy amin’ny fahavoazana ho lasa modely amin’ny fandrosoana ara-toekarena.

MIROBOROBO ARA-PAMOKARANA, ARA-PIZAHANTANY,…
Azo norefesina ny vokatra miainga amin’ny GDP (Gross Domestic Product) na ny sandan’ny vokatra sy tolotra rehetra vokarin’ny firenena (final goods and service), izay nitombo 8,9% tamin’ny 2024 ary niakatra hatramin’ny 11,8% tamin’ny telovolana fahatelo 2025 (fitomboana haingana indrindra aty Afrika, mitarika ny indostria +17%, serivisy +10%, fambolena +10%). Tsiahivina fa i Paul Kagame tamin’ny 2022 no sahy nilaza fa tsy rariny raha i Ukraine izay manana mponina 41 tapitrisa no hamelona an’i Afrika manana mponina 1 miliara mahery amin’ny ara-tsakafo, ka nampiakarana ny fanamby fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’i Rwanda. Na mbola eo amin’ny faha-15 amin’ny Firenena mahasintona mpizahatany indrindra aty Afrika aza i Rwanda dia efa tafiditra ao anatin’ny « top 5 » afrikanina, laharana faha 4 aorian’i Afrika Atsimo, Kenya, Tanzanie eo amin’ny lafiny éco tourisme, ny faharetana ary ny fotodrafitrasa maoderina izay manintona ny mpizaha tany iraisam pirenena. Matanjaka amin’ny doka fisintonana fizahantany izay hita amin’ny fanamian’ireo klioba matanjaka eto ambonin’ny tany amin’ny hoe : « Visit Rwanda » ireny. Nahazo ny fankasitrahana iraisam pirenena: “Best Tourism Infrastructure Award” tamin’ny 2025 noho ny kalitaon’ireo fotodrafitrasa napetraka.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

  • Dimy andro
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

aty aorian’ny fipoahany

Hijery ny tohiny
FTT