nanetry tena Tsy nanamarika an’i Afrika
fotsiny fa izao tontolo izao mihitsy ny tantaran’ny filoham-pirenena afrikanina tatsimo teo aloha, Nelson Mandela. Nanana haitarika nifantoka tamin’ny vina lavitra ezaka momba ny atao hoe rariny ity olomanga niady tamin’ny fanavakavaham-bolon-koditra ity, raha hiverenana ireo fitantarana sy raki-tsoratra mikasika azy. Isan’ny azo lazaina ho fototry ny fahombiazany ny fanatre-tena, ny fahaiza-miresaka, ny fipetrahana ho raiamandreny. Nampiseho fahasahiana goavana izy ary tsy nihemotra nanoloana ireo nanohitra ny fotokeviny. Naneho fahendrena ihany koa tamin’ny alalan’ny fihainoana ny hafa. Tsy voatery ho izy foana no hita teny aloha mba hananan’ireo mpiaradia aminy fahatokisan-tena ihany koa. Nihaino, namela, nanetry tena, raha izay no azo amehezana azy izay Madibà na Nelson Mandela izany. Tsy nataony ambanin-javatra ny fampiombonana an’ireo mainty hoditra sy fotsy hoditra tao Afrika atsimo taorian’ny faharavàn’ny Apartheid na ny fanenjehana ireo mainty hoditra. Natonony i De Klerk izay nitarika izany fanenjehana izany. Na dia nofonjain’ny governemanta Apartheid aza izy dia niezaka nandrindra fifandresen-dahatra miafina ihany tany am-ponja tany. Nataony am-pahibemaso moa izany avy eo rehefa tafavoakan’ny fonja. Vitany ny niafaràny ny niara-niasa akaiky tamin’ny filoham-pirenena am-perin’asa, F. W. De Klerk mba hamaranana tanteraka ny Apartheid sy hametrahana demokrasia vaovao tsy manavaka an’iza na iza. Nisoroka ady an-trano tao Afrika atsimo izany. Nampiasainy avy eo, rehefa lasa filoham-pirenena izy, ny fanatanjahantena izay mampiavaka indrindra an’i Afrika atsimo dia tsy inona fa ny baolina lavalava na Rugby ho fampiraisam-pirenena. Tsaroana ny tompondaka erantanin’izany taranja izany ny taona 1995. Fanatanjahantena nanjakàn’ireo afrikanina tatsimo fotsy hoditra io saingy halan’ny ankamaroan’ireo mainty hoditra kanefa dia vitan’i Madibà ny namadika azy ho fitaovana nampiombonana ny mpiray tanindrazana na fotsy na mainty. Nisalorany hatrany ny fanamian’ny Springboks na ny ekipam-pirenena afrikanina tatsimo ary dia niara-nifaly tamin’ireo fandresen’izany ekipam-pirenena izany hatrany niaraka tamin’ireo vahoaka koa izy. Avy voafonja nandritry ny 20 taona mahery anefa izy no nahavita izany rehetra izany, raha tsiahivina hatrany ny fintin’ny tantarany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.