Any Ivelany

Afrika Atsimo Nametra-pialana ny filoha Jacob Zuma


  • Alakamisy 15 Febroary 2018

Nametra-pialana omaly ny filoha Afrikanina tatsimo Jacob Zuma. Nanapa-kevitra ny hiala amin’ny maha filohan’ny repoblika ahy, aho na dia tsy mitovy hevitra amin’ny antoko niaviako aza, hoy i Jacob Zuma tamin’ny fanambarana fohy nataony halina.

 

Nandeha mivantana tamin’ny fahitalavitra tany an-toerana ny fanambarana izay efa nampoizin’ny maro ihany hatramin’ny faran’ny taona 2017 satria be loatra ny olan’ity filoha Afrikanina tatsimo ity na amin’ny fiainany manokana na eo amin’ny fitantanana ny firenena. Malaza ho manao fiainana mpanankarena, mandany volam-panjakana amin’ireo vadiny maromaro sy ny zanany ary voarohirohy amina raharaha kolikoly ny filoha Zuma, hany ka tsy to teny intsony eo anivon’ny ANC. Namadika ny tolon’i Mandela i Zuma ka tsy mety aminay intsony fa manala baraka, hoy ireo mpikambana ao amin’ny ANC. Manankery avy hatrany moa ity fametraham-pialana ity. Asa hoe rahoviana no mba hisy manampahefana mahatsapa tena sy mahay milefitra tahaka izany eto Madagasikara ? Miaiky rehefa tsy mety ny atao dia miala fa tsy miaro tena lava sy manilika ny rihitra any amin’ny hafa foana.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT