Any Ivelany

Afobe teny amin’ny FILATEX Misy ambadika politika ?


  • Talata 13 Novambra 2018

Nisy firehetana omaly alatsinainy alina ny tao amin’ny orinasa afaka haba OCM ao anatin’ny Filatex etsy Ankadimbahoaka, izay mikirakira sy manao famokarana momba ny tontolon’ny lamba, raha ny fanadihadiana vonjimaika.

 

 

 

 Nisy firehetana ihany koa teny Analamahitsy omaly, ka ny orinasa MC no voalaza fa lasibatra raha ny vaovao vonjimaika hatrany. Mampiahiahy ny zava-misy. Misy ifandraisana amin’ny toe-draharaha politika mafampana eto amin’ny firenena ve sa noho ny toe-javatra hafa mihitsy, toy ny olana ara-teknika tsy nampoizina ? Mety ho santatry ny fanairana amin’ny mety hisehoan’ny zava-doza, dia ny fandorana orinasa fananan’olona hoenti-maneho tsy fahafaliana ara-politika ve ? Efa fahita nanomboka tany amin’ny 9 taona lasa mantsy ny fandoroana sy fanimbana fananan’olona, ka sao sanatriavin’ny vava ho efa fanomanana sahady izany indray izao mba hoenti-maka fahefana amboletra ohatra ? Mila mailo amin’izao fotoana izao, ary mila tony eo anatrehan’ny fandranitana maro samihafa, indrindra ny fitaomana ny olona hanao asa ratsy na hanao zavatra mamoafady, toy ny fandrobana sy fandoroana fananan’olona, eny fa hatramin’ny fikotrehana ra mandriaka mba hahafahana maka fahefana. Toe-javatra efa niseho teto izany ankoatra ny fivoizana ny fampisaraham-bazana ny samy Malagasy, toy ny ambany tanàna sy ambony tanàna, avy eto afovoan-tany sy avy any amin’ny sisiny … Tsy vahaolana izany fa vao mainka lasa tselatra na pitik’afo hampahomby ny tetika maloto dia ny fanakorontanana ny firenena ka mila mailo ny rehetra. Ny fampiadiana ny eto afovoan-tany sy ny any amin’ny sisiny no anisan’ny tetikady nampiasaina tamin’ny fanjanahantany handravana ny fiombonan’ny Malagasy hampisavorovoro azy, ka irariana ny tsy hiverenan’izany intsony. Tsy fotoanan’ny fampisaraham-bazana rahateo izao fa fotoana tokony hihavanana satria izay filoha ho lany eo dia ho filohan’ny Malagasy manontolo. Irariana mba ho filoha lany tamin’ny fomba madio anefa fa tsy sanatria ho fahefana azo tamin’ny alalan’ny kajikajy maloto.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT