Any Ivelany

Afghanistan Hiala ny tafika Amerikanina


  • Alarobia 10 Jolay 2019

Hanatanteraka fivoriana goavana any Doha any Qatar ireo mpiantsehatra politika afghanina sy amerikanina maro,

 amin`izao fotoana izao,  handinihana ny fampiharana ilay fanapahan-kevitr`i Donald trump amin` ny fialan`ny tafika amerikanina any Afghanistan. Na dia mbola sarotra ny mametra ireo  fepetra rehetra dia efa hita soritra ihany ny tokony hamerana ilay tondrozotra ho fampiharana izany. Ho an`ireo “talibans” kosa, zava-dehibe tokony hodinihana ny fampihenana ireo teknisianina sivily amerikanina miasa ao Afghanistan sy hialan`ny tafika amerikanina amin`izay any an-toerana mialoha ny fanatanterahana ny fifidianana ho filohan`ny Repoblika any Afghanistan izay hotanterahina ny 01 septambra izao. Somary mitovitovy ihany ny hevitra eo amin`ny rehetra fa ny fampiharana izany sisa no hisalasalana. Tsiahivina fa efa tamin`ny taona 2001 no nidiran`ny tafika amerikanina  voalohany tany Afghanistan, izany hoe 18 taona lasa izay.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT