ADY NOMERIKA

Ahian'ny tandrefana higafy ny "internet" ny Rosiana


  • Alatsinainy 09 Septambra 2024

Namoaka ny ahiahy ny amin'ny mety hisian'ny fisomparana nomerika amin'ny alalan'ny

fanapahana ireo "cable sous marin" mitondra ny internet, ireo filazam-baovao tandrefana, ny faran'ny herinandro teo. Tsy vao izao no nisy izany fa efa hatramin'ny nanombohan'ny ady mivantana tamin'i Rosia sy Ukraine ny taona 2022. ROSIA ? I Rosia no ahiahian'izy ireo fa mety hanao izany . Fiitaran'ilay ady any Ukraine no antony. Maro be moa ireo sambon'ny tafika an-dranomasiana Rosiana mivezivezy malalaka amina toerana tena stratejika maneran-tany. Ary tahaka ireo firenen-dehibe rehetra dia mahalala tsara ireo toerana any ambany ranomasina misy ny "fibre optique " ry zareo Rosiana. Tena zava-doza raha izany tokoa no mitranga satria hisy akony ratsy goavambe amin'ny seraseran'ny internet maneran-tany.Tranga efa niseho ny fahatapahana "cable sous marin" tany Azia ny taona 2007 ka olona manodidina ny 125 tapitrisa maneran-tany no tsy azo mihitsy an-telefaonina ary tsy afaka nandefa na nandray sms.
FIAINAN'IZAO TONTOLO IZAO
Tokony ho fantatra fa tsy hoe mijanona amin'ny seraseran'ireo tambazotra sosialy sy fijerena vaivao, hira na sarimihetsika fotsiny ny internet fa efa tena miantoka mihitsy fiainan'izao tontolo izao izay tafiditra anatin'ny vanim-potoanan'ny nomerika nanomboka ny taona 2000. Ary ny 99% n'ny internet maneran-tany dia avy amin'ny "cable sous marin", fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe "fibre optique sous marin".Ny 1% ihany no avy amin'ny zanabolana ( satellite ) tahaka ny an'ny Starlink ohatra. 1,3 tapitrisa km ny halavan'ny tambazotrana cable maneran-tany izany hoe avo 3 heny amin'ny elanelana misy eo amin'ny planeta tany sy ny volana.Ny Cable SEA- ME-WE 3 mampitohy an'i Azia atsimo atsinanana sy Eoropa andrefana no lava indrindra (39 000 km).
FIFANAKALOZANA ARA-BOLA
12 000 miliara dolara isan'andro , izany hoe avo 4 heny amin'ny otrikarena anatiny an'i France ny fifanakalozana ara-bola mandeha amin'ny alalan'ny internet. Anisan'ny trna goavana amin'ireny ny SWIFT ( Society for worldwide Interbank financial telecommunications). Izy ity dia tambazotra ifandraisan'ny banky rehetra maneran-tany, izany hoe fomba hifandefasana vola. Efa niaraha-nahita ny nafitsoky ny fikatsoan'ny facebook maneran-tany tamin'ity taona ity fa tena goavana ary nisy fiantraikany lehibe tamin'ny asa sy ny toekarena. Raha sanatria ka ny "internet" no tapaka na dia tapak'andro fotsiny aza dia ho henjana ny vokany, ary tsy hoe ho vetivety ny fanarenana ny simba.
EFA FOMBA FIADY
Efa nitranga tamin'ny ady lehibe voalohany (1914-1918) sy ady lehibe faharoa (1939-1945) ny fanimbana ireo tariby mitondra ny tambazotram-pifandraisana mba tsy ahafahan'ny mpifanandrina amin'ny tena mampita vaovao ara-potoana any amin'ny andian-tafika. Zava-dehibe ny resaka fifandraisana ary miantoka ny fiainan'izao tontolo izao, maro be ny orinasa sy ny olombelona mivelona amin'ny seha-pihariana fahatelo mifototra tanteraka amin'ny fifandraisan-davitra sy ny teknolojia, izay tsy mandeha araka ny tokony ho izy raha sanatria tapaka ny internet.
MADAGASIKARA
Ho an'i Madagasikara manokana dia mananiky ny 5 tapitrisa ireo olona mampiasa ny "internet" ary efa mpiserasera matetika amin'ny facebook ny 2,8 tapitrisa amin'ireo. Misy malagasy 4 tapitrisa ihany koa efa mampiasa ny mobile money na fikirakirana vola amin'ny alalan'ny finday.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

  • Dimy andro
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

aty aorian’ny fipoahany

Hijery ny tohiny
FTT