Any Ivelany

Ady ara-barotra Miha mafy ny fifandonan’ny Amerikanina sy ny Sinoa


  • Zoma 31 Mey 2019

Efa herintaona mahery izao no nisian’ny ady ara-barotra teo amin’ny Etazonia sy sina ary miha-mafy hatrany izany ankehitriny indrindra taorian’ny nanambaran’ny filoha amerikanina Donald Trump ny fanakanana mahakasika ny fivarotana ny vokatra Huawei any Etazonia.

 Eo ihany koa ny fanapahana ny “application” an’ny orinasa Google sy ny tambazotra sosialy amin’ireo vokatra Huawei rehetra ireo na ny efa lafo izany na ny  mbola ho avy. Tsiahivina fa resaka fandriam-pahalemana  na “Securité nationale” no voalaza fa anton’izany izay voatonona ho mandraharaha ao ny orinasa Sinoa. Tsy hijanona amin’izao ny orinasa Huawei fa araka ny fanambarana nataon’i mpisolo vava azy tamin’ny 29 mey  lasa teo dia hangataka amin’ny fitsarana Amerikanina ny hanafoanana ny fandrarana ny famarotana ny vokatr’izy ireo any Etazonia izy ireo. Fantatra fa tsy ny resaka  teknolojia  ihany koa anefa no mampifanolana ny firenena roa tonta fa eo ihany koa ny resaka “brevet”.  Amin’izao fotoana izao dia lazain’ny Etazonia fa mangalatra na manao ‘pillage” i Sina amin’ny alalan’ny fanaovana dika mitovy ny fikarohana ataon’ny Amerikanina. Efa ela no nitsikera an’i Sina  tamin’izany ny amerikanina  amin’io resaka io. Tsy mijanona ho ady ara-barotra intsony izany eo amin’ny Sina sy Etazonia ity ankehitriny fa lasa ady ara toekarena mihitsy satria samy te-hanjaka eo amin’ny toekarena manerantany ny roa tonta ity. I Sina zao dia manana tetik’asa antsoina hoe “Fabriqué en Chine 2025”, ny tanjona amin’izany dia ny mba hahaleo tena hatramin’ny 70% amin’ny akora teknolojika  ilaina amin’ny famokarana tahaka ny sehatra  fifandraisan-davitra, fiara mandeha, ny herin’aratra ary ny sisa. Izany paika izany anefa dia voalazan’i Etazonia fa mampatahoatra ny fanatanterahana azy satria ny tsy fifanarahana dia samy mampiezaka an’ny i Sina sy ny Amerikanina mba hitady marimaritra iraisana mba hahitana vaha olana hialana amin’ity ady ara-barotra ity.  Marihina fa tapaka tanteraka ny fifanakalozan-kevitra eo amin’izy ireo taorian’ny fifanakalozana nanomboka ny 10 mey lasa teo.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT