Any Ivelany

ADY ANY UKRAINE AN’ALINY MATY TAO ANATIN’NY 3 VOLANA


  • Alarobia 25 Mey 2022

Telo volana katroka omaly talata 24 may 2022 ny ady any Ukraine. “Opération spéciale” no nitondran’ny Rosianina azy tany am-boalohany, ary nambara tamin’izany fotoana izany fa ao anatin’ny andro maromaro ny hakany an’ity

firenena ity ho eo an-tanany. Ny fanoherana ny fidiran’I Ukraine izay tao anatin’ny Vondrona Sovietika fahiny ho ao anatin’ny Vondron-tafiky ny OTAN (Organisation du Traité de l’Atlantique Nord) no notoherin’ny Rosianina satria loza mitatao ho an’ny taniny. Hatramin’izao, mifamahofaho tanteraka ny resaka antontan’isa, raha toa ka voizin’ny Tandrefana fa betsaka ny Miaramila Rosianina maty, izay ambaran’izy ireo fa manodidina ny 12000 hatramin’ny 15000. Tafiakatra 29200 kosa ny miaramila Rosianina maty raha ny antontan’isa navoakan’ny Minisiteran’ny fiarovana any Ukraine, fiaramanidina 240 no potika, fiara mifono vy 1300 eo,.... Ho an’ny Ukrainien kosa dia iray volana izay no namoahan’ny Filohany antontan’isa farany, ka nambarany fa 2500 hatramin’ny 3000 ny isan’ny miaramilany maty, ary 10 000 kosa ny naratra. Nahatratra 8 tapitrisa ny nitsoa-ponenana, ary an’aliny ny sivily maty, saingy tsy tena nivoaka ny isa ofisialy.
FANAMELOHANA HO FATY
LOHALAHARANA I IRAN, ARABIE SAOUDITE, BIRMANIE
Niakatra ny isan’ny fanamelohana ho faty maneran-tany ho an’ny taona 2021 araka ny tatitry ny Amnesty International omaly talata, izay manahy mafy eo anatrehan’ny zava-misy. Isan’ny anton’io ny fihalefahan’ny fepetra mikasika ny coronavirus. Lohalaharana tamin’izany I Iran, Arabie Saoudite, ary Birmanie. Nahatratra 579 ny olona novonoina tamin’ny alalan’ny fanamelohana ho faty tamin’ny firenena 49 tamin’ny taona 2021, izay nisy fiakarany 20% mitaha amin’ny tamin’ny taona 2020, izay niisa 483. Na nisy aza ny fiakarana, ireo taona roa ireo (2020-2022) no ambany indrindra ny tahan’ny fanamelohana ho faty isan-taona taorian’ny taona 2010. Nomarihin’ny Amnesty International kosa fa tsy tafiditra ao anatin’ny antontan’isa ireo olona an’arivony novonoina tamin’ny alalan’ny fanamelohana ho faty tany Chine sy tany Korea Avaratra, ary tany Vietanam noho ny fahasarotana amin’ny fanangonam-baovao sy antontan’isa izay fehezin’ny Fanjakana any amin’ireo firenena ireo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT