Ady amin’ny famarinana olombelona

Namoaka horonantsary fohy ny BNLTEH


  • Zoma 19 Septambra 2025

Mila hamafisina hatrany ny ady amin’ny famarinana

olombelona na «lutte contre la traite des êtres humains», izay matetika ambara ihany koa amin’ny fomba mahazatra hoe trafikan’olombelona, raha ny fanazavàn’ny avy eo anivon’ny BNLTEH na ny birao nasionaly misahana izany ady izany eo anivon’ny primatioran’ny repoblikan’i Madagasikara. Zava-doza misy manerantany ny famarinana olombelona ary miseho amin’ny endriny maro toy ny amin’ny alalan’ny tolotr’asa eto an-toerana na iraisampirenena mihitsy, ohatra, kanefa fitaka tanteraka toy ny varotr’olona ara-bakiteny no ambadik’izany, raha ny fanazavàna ihany. Ho fampahafantarana sy fanentanana hatrany ny fiaraha-mientan’ny rehetra hiadiana amin’io loza mitatao sy efa misy mihatra eto amin’ny firenena sy manerantany io, dia namoaka horonantsary fanentanana sy fampahafantara fohy maharitra 4 minitra sy 4 segaondra monja ny BNLTEH ho hitan’ny mpanara-baovao sy olompirenena rehetra mba hitandreman’ny tsirairay ihany koa tsy ho tratran’izany velapandrika mety hitohy any amin’ny atao hoe famarinana olombelona izany na trafikan’olombelona izany, raha ny fampitàm-baovao hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT