Any Ivelany

Ady amin’ny Coronavirus Tsapaina hafanana ny mpandeha rehetra tonga eny Ivato


  • Alatsinainy 27 Janoary 2020

Tsy mamela mahazo ny coronavirus, ilay tsimokaretina mamely ny taovam-pisefoana ka mahafaty haingana.

 

 

 

 

Efa tonga any Frantsa ity aretina ity ankehitriny vokatry ny fisian’ireo olona mivezivezy miainga avy ao Sina…. Manoloana ity tranga ity dia nidina ifotony teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny profesora Rakotonirina Julio, minisitry ny fahasalamam-bahoaka ny faran’ny herinandro teo nanara-maso ny fizotry ny asa fiarovana hatao eny an-toerana, ho fiarovana ny ain’ny mponina. Anisan’ny nojereny manokana tamin’izany ny fisian’ireo fitaovana fitsapana hafanana izay misy infra rouge. Raha mihoatra ny 38 ° ny maripanan’ny olona iray dia nomarihin’ny minisitra fa tsy maintsy arahi-maso akaiky izy ary raha ilaina dia entina manatona tobim-pitsaboana efa voatokana mihitsy. Nampitomboina ihany koa ny isan’ireo mpitsabo manara-maso izany ankoatra ny fisian’ny fiara afaka mitondra marary avy hatrany napetraka eny an-toerana. Nomarihin’ny minisitra nandritra izany fa tsy mipetra-potsiny ny fitondram-panjakana manoloana ity karazan’aretina iray mampatahotra ity. Ankoatra an’Ivato, hoy izy dia seranam-piaramanidina sy seranan-tsambo valo hafa ihany koa no arahi-maso akaiky manerana ny Nosy. Na izany aza tsy mbola misy ireo marary ahiana hatreto.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT