Any Ivelany

Ady amin’ny Coronavirus Herinandro no hananganan’ny Sinoa hopitaly goavana


  • Zoma 31 Janoary 2020

Mihazakazaka ny fanamboarana ilay hopitaly lehibe any Wuhan – Chine natokana handraisana sy hitsaboana ireo mararin’ny coronavirus.

 

 

Fanamby goavana no nataon’ny Sinoa ao amin’ny tanàna niaingan’ilay soritr’aretina. Manorina hopitaly mahazaka olona 1000 ao anatin’ny herinandro. Ny alahady 26 janoary teo no nanomboka ny asa ary ho vita ny alatsinainy 3 febroary ho avy izao. An-jatony maro ireo mpiasa miasa, miaraka amin’ny fitaovana isan-karazany. 9 ora isan’andro no miasa izy ireo. 25 000 m² ny velaran-tany misy ity hopitaly nampisalorana ny anarana hoe : «  Hopital du dieu du feu » ity. Mbola hisy iray hafa mahazaka marary 1300 atao ihany koa saingy ao anatin’ny 2 herinandro kosa ny asa hamitana azy hanampy ity hopitaly ity. Efa nanao fanamby goavana amin’ny fanorenana hopitaly tahaka izao tany Pekin renivohitra ihany koa ry zareo Sinoa ny taona 2003 raha nandravarava tany an-toerana ny SRAS na ilay aretin’ny taovam-pisefoana tena nahery vaika. Akora efa « Préfabriqué »  na voavoatra mialoha no atambatra ka izay no maha haingana ny fananganana ny hopitaly. Anisan’ny tena manana traikefa matanjaka be amin’izy io ry zareo Sinoa. Na lalana na tetezana na lalam-by na trano mijoalajoala dia azo vitaina ao anatin’ny fotoana fohy kanefa tsara sady mafy. Mazava ho azy fa lafo kokoa ny saran’ny fanamboarana .

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Hitsahatra ny adin’i Etazonia-Iran
  • Zoma 19 Jona 2026

Misento tokana izao tontolo izao saingy…

  • Raim-pianakaviana
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy nanefa volan-jaza

  • Toe-draharaha iraisam-pirenena
  • Alakamisy 21 Mey 2026

Manamafy ny fifandraisany

  • MOYEN ORIENT
  • Talata 21 Aprily 2026

Mikatso ny diplaomasia, ambivitra

Hijery ny tohiny
FTT