Any Ivelany

Adin’i Etazonia sy Iran Ampoizina ny fiakaran’ny solika


  • Alakamisy 09 Janoary 2020

Tsy maintsy hisy akony amin’ny fanjifana solika eto amin’ny firenena ny gidragidra amin’ny Iran sy Etazonia.

 

 

Taorian’ny fodian’ ireo mpiasa amerikanina miasa amin’ny kaompania amin’ny fitrandrahana solika tany Irak sy ny fanambaran’ny Iraniana fa hamaly faty izy dia efa niabo hatramin’ny 4% sahady hatreto ny vidin’ny barila. Efa tratra ny 70 dolara ary voalohany izany nanomboka hatramin’ny mey 2019. Tsiahivina fa eo amin’ny 60 dolara eo hatrany no vidy araka ny tokony ho izy ahazoana ny fifandanjana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena (équilibre de marché). Etsy andaniny anefa dia tsy azo tsinontsiniavina ny famokarana solika ataon’i Iran sy ny Emirats Arabes Unis eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izay manome hatramin’ny 21 tapitrisa barila isan’andro miampy ireo mba manana solika kely ihany koa.  Efa nanomboka sahirana ny firenena iraniana taorian’ny fahirano nataon’ny amerikana nanomboka ny taona 2018 izay nampihena hatramin’ny 1 tapitrisa monja ny famokarana natao. Amin’ity ady ity izay nilazan’i Iran fa tsy mila fifampiresahana sy fifampidinihina izy fa hamaly faty dia inoana fa efa manana ny politikany ary tsy maintsy hampiasa ny tombony amin’ny maha-firenena mpamokatra solika azy i Iran. Etazonia koa anefa etsy ankilany dia firenena tendan-kanina amin’ny sehatra solika ary tena mila izany. Tsy hisy ny marimaritra iraisana aloha hatreto raha ny toe-draharaha no jerena ary tena ahiana ny fiakaran’ny vidin’ny barila hipaka aty Madagasikara.

 

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT