Mila miomana isika eto Madagasikara, hoy Pr Joseph
Manoloana ny ady hifandrianan ' ny Amerikana sy Isiraely amin ' i Iran, izay ahiana hisy fiatraikany goavana manerana izao tontolo izao, dia tsara raha miomana isika eto Madagasikara hoy Pr Joseph. Mety tsy hitsahatra io ady io, ary ahiana ny hisian 'ny krizy goavana maneran - tany. Raha dinihana mantsy ny fizotry ny zava - mitranga ankehitriny, dia efa voasoratra ary efa nambaran ' ny tenin ' i Jesosy Kristy avokoa, araka izay voasoratra ao amin 'ny (Lioka, 21 ; 35) manao hoe : Fa hihatra amin ' izay rehetra mitoetra ety ambonin 'ny tany rehetra izany. Koa araka io teny izay nambaran ' i Jesosy io no hilazana hoe : Mila miomana isika eto Madagasikara.. Raha mihorina mafy amin 'ny finoana isika ka manaraka tsara ny toromarika izay nambaran ' i Jesosy, dia hanalavitra antsika eto Madagasikara io ady goavana izay miseho any ivelany io ! Koa ahoreno mafy tsara ary ny finoantsika an ' i Jesosy, fa Izy no efa nilaza ao amin 'ny (Lioka, 21 ; 36) manao hoe : Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan 'ny Zanak 'olona. Fa mifanindry an - dàlana ny amin ' izany, dia ny fanaovan 'ny olona sasany tsinontsinona ny filoham - panjakana Kolonely Michaël Randrianirina sy ny fampitahana amin 'ny alika. Izao no hafatra ho anao Mon Colonel Michaël Randrianirina ! Tena mampalahelo ilay famingavingana ataon 'ny olona sasany anao, kanefa mankahery anao izahay tompoko ; Aza kivy ianao, ary aza malahelo fa tohizo ny andraikitra nankinin ' i Jesosy taminao. Fa hoy ny tenin ' i Jesosy araka izay voasoratra ao amin 'ny (Lioka, 6 ; 22 - 23) manao hoe : Sambatra ianareo, raha halan 'ny olona ka ariany sy haratsiany, ary laviny toy ny zava - dratsy ny anaranareo, noho ny amin 'ny Zanak ' olona. Mifalia ianareo amin ' izany andro izany, ka mibitaha ; fa, indro, lehibe ny valim - pitianareo any an - danitra ; fa izany no nataon 'ny razany tamin 'ny mpaminany.
Pati
Légende : Izy no Pr Joseph !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.