ADIN'I ROSIA SY UKRAINE

Ahiana hiteraka lonilony eo amin'ny amerikana sy ny eoropeana


  • Alatsinainy 03 Martsa 2025

Midika zavatra lehibe fanehoan-kevitry ny lehiben'ny diplaomasia eoropeana Kaja Kallas

tamin'ny tambazotra sosialy mazava izao hoy izy fa mila mpitarika vaovao izao tontolo izao. Miray manohana ny filoha Okrainiana Volodymyr Zelensky ary sosotra amin'ny toetran'ny filoha amerikana Donald Trump my eoropeana. Efa lasa lavitra ny eritreritra satria tonga hatrany amin'ny hoe ahoana ny ataontsika amin'ny resaka fiarovana sy fandriampahalemana raha toa ka tsy miaraka amintsika intsony ny Amerikana. Ny frantsay sy ny anglisy no hany manana fitaovam-piadiana nokleary ao eoropa mantsy. Heverina fa mety hisy akony hatrany amin'ny vondron-tafiky ny tandrena dia ny OTAN iny fifamaliana teo amin'i Trump sy Zelensky tao amin'ny maison blanche ny zoma lasa teo iny. Efa ela mantsy no tsikaritra fa tsy dia marisika loatra ny amin'ny ahazoan'i Trump fahefana ny eoropeana amin'ny ankapobeny noho ity farany manana foto-kevitra mametraka ho ambonin'ny zava-drehetra an'i Etazonia aloha, izay vao miasa saina amin'ny hafa ary dia efa nasehony tamin'ny fandroahana avy hatrany ireo vahiny tsy manana na tsy mbola nahavita taratasy ara-dalàna izany sy ny fametrahany haba efa ho 25% amin'ireo entana avy any amina firenen-kafa miditra ao Etazonia. Etsy ankilan'izay, tsy dia mahafaly ny eoropeana ihany koa ny fanakaikezan'i Washington amin'i Moscou ; tahaka ireny hoe mpinamana tsy mifankafoy ireny i Donald Trump sy Vladimir Poutine filoha Rosiana. Tsy mbola re namoaka teny hafahafa manakiana an'i Poutine i Trump kanefa nataony maivana toy ny taratasy teo imason'ny fianakaviamben'ny haino aman-jery iraisam-pirenena i Zelensky. Ka asa izay ho tohin'ny raharaha, hiverina hiresaka ihany ve ny Amerikana sy ny Okrainiana ? I eoropa efa tsikaritra ihany koa fa te hiverina haka ny toerany eo amin'ny fifampiraharahana hamahana ity olana eo amin'i Ukraine sy Rosia ity. Ka mipetraka ny fanontaniana hoe ho sahy hanohitra ny politika don-tandroky ny amerikana ary ve ny eoropeana sa mba miteniteny manao fanambarana fotsiny ? Sao sanatria resaka ambony latabatra fotsiny ny an-dry zareo eoropeana fa tsy ahavita hanolona vahaolana mahomby akory hampitsaharana ny adin'i Ukraine sy Rosia. Ankoatr'izay moa ve ahavita hanampy ara-bola sy ara-tafika an'i Ukraine ny vondrona eoropeana raha miala ny amerikana ? Sarotra ny fanapahana ho an'i Volodymyr Zelensky.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

  • Dimy andro
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

aty aorian’ny fipoahany

Hijery ny tohiny
FTT