Fihodinana an-dalana izay midika fa tsy fahatongavana any amin'ny fiantsonana farany, tsy fanarahana ny rindran'ny fanatanterahana ny asa fitaterana, tsy fanajana mpandeha ...
Ampahany ihany ireo amin'ny baranahiny izay ampizogain'ny kaoperativa zotra E mampitohy an'Antananarivo amin'Ambohimangakely. Miferinaina tanteraka ihany koa ny mponin'Ambohimangakely rehefa migadona ny Alatsinainy noho ny afitsok'ireo mpitaitra izay tsy mandray olona eo Ambohimangakely na mandray fa mijanona hatreo Mahazo. Tanteraka tokoa ilay hoe : "Andro mafy" ny alatsinainy ho an'ny mponina eny an-toerana. Manoloana ireo rehetra ireo, miraviravy tanana ny mpanjifa izay toa hadinon'izy ireny fa izy no andrianina mandrakariva.
Mahavariana fa na ny eo anivon'ny kaoperativa na ireo tompon'andraikitry ny kaominina izay manana fiara miasa ao amin'ny zotra E dia mangina tanteraka sy manampi-maso manoloana ny gaboraraka an-kitsirano ataon'ireo mpamily sy ny mpanampy azy ary ireo ambara fa mpandrindra ny asa eny an-toerana. Inona no andrasana ? Sa ny hatezeram-bahoaka izay mety havesatra ho an'ireo mpitatitra ny ho vokany raha mipoaka eo ? Tsikaritra rahateo fa tsy mahazaka fifaninanana ny zotra E, hany ka toa ny vahoaka no analany ny fony. Ny tantara dia mbola mitohy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.