Actualités

Zon’ny mpiasa Hohatsaraina manaraka ny vanim-potoana


  • Zoma 02 Mey 2014

Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy omaly maraina tany Miarinarivo faritra Itasy ny ny “Club Zandriolona CNaPS”, nifanojo tamin’ny datin’ny 1 mey, fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny asa izany.

 Ahitana mpikambana 950 ny Club Zandriolona ao Miarinarivo izay mpianatra avy amin’ireo lisea lehibe dia ny liseam-panjakana, ny lisea Katolika ary lisea Fjkm. Tanjona amin’ny fametrahana azy ity ny mba hahalalan’ny Malagasy rehetra ny zony amin’ny resaka fiahiana ara-tsosialy ka atomboka dieny mbola an-tsekoly ny fanentanana. Nanome voninahitra izao lanonana izao ny minisitry ny Asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy, Maharante Jean De Dieu ka ankoatra ny nanamafisany ny maha zava-dehibe ny fiahiana ara-tsosialy dia nambarany io omaly io ihany koa fa ampiharina tsy ho ela ny fampakarana ny marikarama ho an’ny sehatra tsy miankina manerana ny Nosy ary manankery nanomboka ny 1 martsa 2014. Nambaran’ny Tale jeneralin’ny Tahirim-pirenena Atoa Arizaka Rabekoto Raoul kosa fa efa any am-pelatanan’ny fitondram-panjakana ny volavolam-panovana ny fehezan-dalàna momba ny fiahiana ara-tsosialy, ho fanatsarana ny zon’ny mpiasa mba hifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny. Tsy maintsy mbola ampandalovina hodinihana eny amin’ny antenimieram-pirenena anefa izany. Nosafidiana hatao faritra maodely amin’ity fametrahana ny Club Zandriolona ity moa i Menabe, Itasy ary Sofia saingy tsy maintsy mbola aparitaka manerana ny nosy ihany ilay izy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT