Actualités

Zon`ny ankizy Misy fepetra tsy voahajan`i Madagasikara


  • Alatsinainy 16 Jolay 2018

Betsaka ny fanararaotana mianjady amin`ny ankizy eny anivon`ny fiarahamonina.

 Mbola iharan`ny fandrahonana raha vao miseho mahafantatra sy mitantara ny tena marina. Antony mahatonga ny tsy fahafantaran`ny ankizy ny zony koa ny tsy fahampian`ny torolalana ahafahan`izy ireo manatanteraka izany. Anisan`ny zo fototry ny ankizy ny mianatra sy misakafo ary ny mitafy kanefa tsy voahaja io eto Madagasikara. Iharan`ny tsy fanjarian-tsakafo avokoa ny 50%`-n ny zaza latsaky ny dimy taona amin`izao. Ankizy enina amin`ny folo ihany koa no mahavita fianarana ambaratonga fototra. Antony ny tsy fahafantaran`ny ray aman-dreny ny zo fototry ny ankizy sy ny tsy fisian`ny fiahian`ny fanjakana ny sosialin`ny ankizy raha ny nambaran`ny UNICEF, izay vondrona misahana ny fiahian`ny ankizy. Araka ny nambaran`i Fanjaniaina Alida, tompon’andraikitry ny serasera UNICEF, mbola misy ny fepetra tsy voahajan`i Madagasikara eo amin`ny zon`ny zaza. Manan-jo ny hihaino sy hanana anjara fitenenana ny ankizy, antom-pisian`ny fanofanana mpanao gazety mahakasika ny zon`ny ankizy izay niarahana tamin`ny UNICEF tany Antsirabe. Tanjon’ny fiofanana ny hanajan’ny mpanao gazety ny fifanarahana momba ny zon’ny ankizy izay nosoniavin’i Madagasikara tamin’ny taona 1991, ao anatin’ny fanatanterahana ny asany, hoy hatrany i Fanjaniaina Alida. Ankoatra ny mpanao gazety dia efa nisy ihany koa ny fiofanana nomena ny teo anivon’ny zandarimaria, ho an’ireo tompon’andraikitry ny sehatra tsy miankina isan-karazany… ao anatin’ny tanjona hampanjary ny zon’ny ankizy hatrany.


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT