Actualités

Zokiolona Hakarina ho 65% ny fisotroan-drononony


  • Alakamisy 05 Martsa 2015

Olana ho an’ny «Caisse Nationale de Prévoyance Sociale» hatramin’izao ny fampahafantarana amin’ny Malagasy ny zo hisitraka ny fiahiana ara-tsosialy. Tsy mitsahatra ny manentana ireo mpampiasa sy mpiasa hiditra ho mpikambana «Cnaps»ny orinasa, hoy ny tale jeneralin’ny orinasa Arizaka Rabekoto. Tsikaritra fa betsaka tokoa ireo mihevitra ho tanora lalandava ka tsy mitsinjo ny ho avy amin’ny ankapobeny, araka ny fanazavany.

 Efa miparitaka sy mivelatra amin’ny faritra maro manerana ny nosy ny Cnaps ary miezaka hatrany manome fahafaham-po ireo efa mpikambana toy ny fisorohana ny filaharambe mandritra ny fizarana fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona. Ekena fa mbola kely dia kely ny fanampiana saingy efa misy ny vinavina hampiakatra izany hatrany amin’ny 65%-n’ny fisotroan-dronono raisin’ireo raiamandreny ankehitriny, hoy ny mpitantana voalohany ny Cnaps. Tanjon’ny orinasa moa ny handresy lahatra ny tantsaha Malagasy maro an’isa hisitraka ny fiahiana ara-tsosialy.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT