Hatairana ny an’ireo mponina tao Andranomadio P/elle11/43, Toamasina ny alahady maraina teo, raha nahita gony nisy fatin-jazalahy kely, tokony ho valo taona, notetitetehana.
Araka ny fanazavan’ireo mponina manodidina dia mety efa andro maromaro no namonoana azy, saingy ny fandrenesana fofona be ny alahady teo vao hita ilay razana ka nojerena. Tsy fantatra marina ny anton’izao famonoana olona izao, ka izay no mahatonga ny resabe miely ao Toamasina fa «halatra taova» ity nitranga fa tsy «vono olona tsotra». Rehefa nosavaina mantsy ilay gony nisy azy dia nisy taova maromaro tsy hita taminy toy ny masony, ny lelany ary ny filahiany. Tsy fantatra ny momba ity zazalahy ity noho tsy fisian’ny mombamomba azy, tsy mbola nisy koa fitarainana amin’ny fahaverezan-jaza mitovitovy aminy, ka ny mpitandro ny filaminana sy ny Kaominina no nandray an-tanana ny fandevenana azy aloha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.