Actualités

Zaza sampona vao teraka Tokana ny masony, tsy misy orona ary nisy filahiana ny handriny


  • Sabotsy 17 Mey 2014

Tranga tena nanaitra no niseho tao amin’ny Hopitaly Loterana Andranomadio Antsirabe satria dia nisy zaza teraka sampona tao. Nanaitra ny mpitsabo izay nisahana izany ny fahitana fa tsy mitovy amin’ny zaza rehetra ity teraka ity.

 Tokana ny mason’ilay zaza ary tsy misy orona ilay izy, roa ny fitaovam-pananahany ka ny maha vavy azy dia teny amin’ny toerana ara-dalàna fa nisy kosa filahiana kely iray hafa teny an-kandriny izay saika nanarona ilay masony tokana. Ny ankoatra ireo dia ara-dalàna tsara ny rantsam-batany. Nambaran’ny mpitsabo moa fa ora roa monja taorian’ny nahaterahany dia maty ilay zaza. Ny renin’ilay zaza kosa,  izay  vao 18 taona monja, dia tsy mbola mahatsiaro tena hatramin’ny nanoratana satria nananosarotra ny fiterahany ka voatery nandalo fandidiana natao “césarienne”.

Voan’ny aretina antsoina hoe “toxoplasmose” azo avy amin’ny volon-tsaka sy alika ireny ilay renin-jaza ka nahatonga izao fahaterahana zaza sampona izao

Raha ny fanazavana azo tamin’ny mpitsabo ihany dia fantatra fa be tosidra ilay ramatoakely ary avo be ihany koa ny tahan’ny sira na “albumine” tao aminy izay nitarika ny fanitontsitonany nandritra ny fiterahany ka izay no antony nandidiana azy. Ankoatra izay dia nambaran’ny mpitsabo fa voan’ny aretina antsoina hoe “toxoplasmose” azo avy amin’ny volon-tsaka sy alika ireny koa ilay ramatoa kely ka nahatonga izao fahaterahana zaza sampona izao. Avy any amin’ny Distrikan’i Mandoto tao amin’ny tanàna antsoina hoe Antanety ity renim-pianakaviana tanora ity, ary manambady ara-dalàna izay mpamboly sy mpiompy no asany. Ny alakamisy 15 mey 2014 lasa teo tokony ho tamin’ny 6 ora hariva tao amin’ny Hopitaly Loterana Andranomadio no nitrangan’ity fiterahana ity, izay marihiny fa zanak’izy mivady voalohany izany.

Caïus Raharison

Ora roa taorian’ny nahaterahany dia maty ilay zaza

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT