Zazalahy kely vao teraka mbola miaraka amin’ny tadim-poitra no nisy nanary teo amoron-dalana tao Ambohipeno kaominina Amparafaravola.
Nahohoka ilay zaza sady nototofana fasika. Nitomany nikiakiaka tao anaty haizina izy saingy niahotra ny hivoaka ny trano ny mponina manodidina noho ny tsy fandriampahalemana. Maro no nihevitra sao fandrika ataon’ny jiolahy io ka dia samy namitsaka tany an-tranony avy ny rehetra. Renim-pianakaviana iray sendra nandalo ny ampitso maraina no nahatsikaritra io zaza io, mbola nisy aina, ka nitondra azy avy hatrany tany amin’ny tobim-pahasalamana. Velona soamantsara ilay zazalahy kely ankehitriny ary dia nangatahan’io renim-pianakaviana io mba hatsangana sy hosoratana aminy. Tany aloha dia nambara fa harena ny zanaka. Toa mifanohitra amin’izay ny fiheverana azy ankehitriny fa raisin’ny sasany ho enta-mavesatra ka atao tsinontsinona.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.