Actualités

Zandary sy polisy amin’ny RN7 Tsy miafina intsony maka vola amin’ny fiara mandalo


  • Sabotsy 17 Mey 2014

Vaky tako-kenatra ary tsy miafina intsony ireo mpitandro filaminana sasany manao sakana sy mandrindra ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena fahafito maka vola amin’ireo fiara taksiborosy imason’ny mpandeha.

 Mody mangataka gazety aloha, mitaky ny taratasin’ny fiara, ary avy eo mila vaniny. Tsy te ho taraiky ny mpamily fiara satria manenjika karavanina noho ny firongatry ny dahalo mpanakan-dalana dia manome vola tsy satry 1 000 Ariary hatramin’ny 2 000 Ariary sady mimenomenona. Ny polisy na zandary sasany tsy manaiky mihitsy raha tsy mahazo 5 000 ariary, toy ny tranga tao Ilakaka, afak’omaly. «Na ara-dalàna aza ny taratasy, dia tsy maintsy mitaky vola foana aminay ry zalahy fa noana sy mangatsiaka, hono, amin’izao ririnina izao», hoy ny mpamily.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT