Actualités

Zandary nalefa tany Besakoa Tsy nisambotra dahalo fa namono ny vahoaka ?


  • Zoma 30 Mey 2014

Tsy nanao ilay “opération coup d’arrêt” no anton-dian’ireo zandary nalefan’ny fitondram-panjakana tany Besakoa, Distrikan’Amboasary Atsimo ny 19 mey lasa teo fa namono sy nampijaly ny vahoaka, hoy ny fitarainan’ny mponina any an-toerana.

 Nisy noterena mba hamoaka ny fananany toy ny mpivarotra, tao ireo nokapohina sy nampandoalihina. Fianakaviana maro no nijoro vavolombelona mikasika izany ary nanaparitaka ny sariny mba ho hitan’ny fitondram-panjakana foibe. Nandritra ny fihaonan’ny solontenan’ny mponina avy ao Besakoa tamin’ny mpanao gazety ny alarobia no nahafantarana izany. Raha araka ny fantatra mantsy dia voatondro ho anisan’ireo toerana fieren’ny dahalo indrindra ity Besakoa ity. Tsy ny dahalo anefa no nenjehin’ireo mpitandro ny filaminana fa ny olon-tsotra indray. Ankoatra ireo tranga mampalahelo ireo dia lehilahy iray avy any Esira ihany koa no maty notifirin’ny zandary ankitsirano, araka ny tatitr’ireo mponina avy any an-toerana hatrany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT