Aleo tara toa izay tsy misy ! Notanterahan’ny fikambanana Zanadravaolona teny amin'ny toeram-pialamboly teny Bevalala ny alahady 8 febroary ihany ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2015. Fifankahitana indray, firaisankina na fifankahalana sy fiaraha-nisakafo nomban-korana no nifamotoanana tamin’izany. Nampahatsiahivin’ny filohan’ny fikambanana, Ravelonarivo
Alain Eddie tamin’ny kabarim-panokafana nataony teny an-toerana mba ho fantatr’ireo taranaka aty aoriana fa ilaina foana ny mahafantatra ny tantara niavian’ny tena sy ny fifikirana amin’ny fikambanana misy mba hamelomamaso ny anaran-dRenibe sy hahatonga ny fikambanana ho velona sy miroborobo mandrakizay. Nambarany ihany koa moa teny Bevalala fa hisy ny fanaovana fifidianana hanavaozana ny birao mpitantantana ny fikambanana Zanadranavalona amin’ny 26 aprily ho avy izao satria efa tapitra tamin'ny faran'ny taona 2014 teo ny fe-potoam-piasan'ireo birao notantanany. Tsy maintsy havaozina, hoy izy, ny fanisana ireo mpikambana ka angatahana mba samy hanoratra anarana any amin’ny komity manokana tarihan’ny Andriana Robert Razafinavalona ny mpikambana rehetra ka ireo feno 18 taona ary mahaloa ny latsakemboka (200Ar) ihany no hahazo mifidy. Ny 26 martsa no hanatanterahana ny fivoriambe manaraka hanapahana ny fizotran’io fifidianana io. Ho an’ireo maniry hilatsaka hofidiana kosa dia tsiahivina fa tsy maintsy tera-dRanavalotsimitoviaminandriana, tsara fitondran-tena ary feno 40 taona raha kely indrindra amin’ny andro firotsahany hofidiana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.