Miantso vonjy ny mpianatra Malagasy any Wuhan Chine manoloana ny fahavoazan’ny naman’izy ireo antsoina hoe Zaid Sylvain.
Marary mafy, tsy mahatsiaro saina, tsaboina any amin’ny hopitaly ao an-toerana izy, hatramin’ny 7 aprily 2014 taorian’ny don-kiho nahazo ny lohany nandritra ny lalao baolina kitra nifanaovan’ireo mpianatra avy aty amin’ny firenena afrikanina. Ratra anatiny mitarika fihandronan’ny ra (Hémorragie interne) no mahazo azy, ary tsy maintsy mandalo fandidiana. Ny masoivoho malagasy any Chine milaza fa tsy manam-bola natokana amin'izany, nefa ilay mpianatra tsy manana ihany koa fiantohana raha sanatria marary na misy loza mitranga.
Raha ny fitantaran’i Zefania Manampisoa Christian, mpianatra Malagasy any Chine, dia anisan’ireo tsy nahazo vatsim-pianarana i Zaid Sylvain. 4 hetsy sy 2 tapitrisa Ariary (6000 Yuan) isan’andro anefa ny saram-pitsaboana ao amin’ilay hopitaly. Vao naharay ity antso vonjin’ny mpianatra avy any Chine ity Raharimanana Patrick dia efa nampilaza ny Filoham-pirenena sy ireo mpiara-miasa aminy ary nampahafantatra ny Praiminisitra ihany koa. Nanamafy taminy ity farany fa handray ny andraikiny sy hilaza amin'ny Filoham-pirenena ihany koa. Dokotera ny praminisitra ka inona fa hivadika asa avy hatrany izany fandraisan’andraikitra ambarany fa horaisana izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.