Nanindraindra ny tetikasa momba ny mpanao fanatanjahantena indray omaly no stratejia notontosain-dry zareo avy eo anivon’ny antoko politika Gasy Mifankatia (Gasy Mi) tetsy amin’ny foibeny etsy 67 ha.
Nanazava fohifohy ny talen’ny fampielezan-kevitry ny kandida filoham-pirenena Zafivao Jean Louis, izay tohanan’ity antoko ity, fa mila jerena manokana ny mpanao fanatanjahantena eto Madagasikara. Ry Messi sy ry Ronaldo, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina, mikarama an-tapitrisany Euros kanefa ny antsika mitrongy vao homana. Azo atao tsara anefa ny mampiditra ireny mpanao fanatanjahantena ireny ho mpiasam-panjakana sy hanabevoho ireo klioba hahafahan’izy ireo mahita 500 tapitrisa na 1 miliara Ariary mihitsy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.