Angatahana isika mpiara-mitolona ety an-kianja, mba hanamarina ny lisi-pifidianana voasoratra eny anivon’ny fokontany tsirairay avy ankehitriny ary hanentana ny olona koa hanao izany, hoy i Zafilahy Stanislas ka mba avela ny kajikajy seza miseholany amin’izao fotoana izao
. Tonga ny fotoana, hoy izy, ka isika samy Malagasy mihitsy no hiray hina hampandroso ny firenentsika alohan’ny hanafarana ireo vahiny avy any ivelany hanampy vola eto. Ampio ny orinasa malagasy mba hahafahan’ny Malagasy miditra sy miverina miasa indray. Mangataka izahay mba sokafy ny orinasa rehetra nikatona tamin’ny taona 2009. Mbola miaiky ny rehetra fa mbola matanjaka i Dada hoy i Zafilahy; izahay amin’ny lafiny politika dia manao ezaka mba hanasongadinana fa mbola be ny miaraka amin’i Dada ankehitriny ary hoporofointsika amin’ny fahazoana toerana ben’ny tanàna maro izany amin’ny fifidianana ho avy io. Mandringa ihany anefa izany raha tsy azontsika ny toerana eto Antananarivo.
Fanangonan-kevitra aloha
Raha ny mikasika ny fampihavanam-pirenena indray dia nambaran-dRakotomandimby Zafilahy Stanislas fa tsy maintsy miteny manazava ny zava-misy isika mba tsy hotsarain’ny tantara any aoriana na dia iaraha-mahalala aza ny fandehan’ny raharaham-pirenena ankehitriny. Mbola mitohy, hoy izy, ny fampihaonana ataon’ny FFKM ary hitohy any amin’ny faritra koa izany. Tsy mbola tena fampihavanam-pirenena anefa izao ataon-dry zareo izao fa mbola fanangonan-kevitra hanaovana ny tena fampihavanana. Nanomboka tamin’ny filoha dimy izany ary hotohizana any amin’ny faritra mba hahafahana mijery ny zavatra tena ilain’ny vahoaka ka tsy hiverenan’ny krizy intsony. Na dia be aza ny fanakianana dia tsy kivy fa mbola manana fanantenana ny FFKM. Rehefa vita ny fanangonan-kevitra any amin’ny faritra amin’ny faran’ny volana martsa vao hahita an’izany tena fampihavanana izany ny olona, hoy i Zafilahy Stanislas. Rehefa vita indray ny fihaonambem-paritra dia tonga amin’ny fihaonambem-pirenena ny raharaha, hoy izy ka horavana ny FFM fa efa azo atao ny manangana rafitra hafa hasolo azy.
Ntsoavina Evariste
![]()
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.