Vaovao mbola mitana ny sain’ny maro ary manomboka taterin’ireo filazam-baovao iraisam-pirenena ny fifamonoan’ny samy Malagasy any atsimon’ny Nosy. Ny faty olona nikararana tany Andranondambo, Amboasary Atsimo no voalaza ombieny.
Nitovy tsy nisy valaka tamin’io koa anefa ny nitranga tany Marovato, Kaominina ambanivolon’i Enakara ao amin’ny lemaka Ranomafana-Ambolo, Distrikan’i Tôlagnaro. May kila forehitra nodoran’ny olona ny tanàna, fa hoe fieren’ny dahalo. Endriky ny fitsaram-bahoaka miseho any amin’iny ilany atsimon’ny Nosy iny avokoa izany. Inona loatra no antony ? Tsy matoky ny fitsaram-panjakana intsony ve ny olona ? Tsy vao tamin’ity taona 2014 ity mantsy no nisy fifandrafiana niteraka fanaovana vonomoka mahatsiravina tany, saingy baraingo mipetraka hatramin’izao ny hoe mba nisy fanadihadiana niainga ve ary nangarahara ve izany ? Nisy ve famaizana ireo olona mpandika lalàna ? Ary mba aiza ireo “Tafika aron’ny vozona” manoloana ireny vono olona ireny, fa tahaka ny tany tsy misy fanjakana eto ?
Fa mbola raharaha manahirana ihany koa ny ady tany sy fandravana tranon’olona nirongatra tato ho ato ity, toy ny mitranga any Ankoririka Morarano Chrome, Ambatoasana Ampefy, Toamasina, Ambohimanambola, fa ny nahoraka dia ny nitranga tetsy Ankadimbahoaka ny alatsinainy 19 mey teo, ka nandravana tao anatin’ny indray mipi-maso ny tranon’ny fianakaviana 21 tafo, fa lasan’ny Karana ny tanin’izy ireo. Mangina tsy ahenoan-teny ny mpitondra. Ny nandefa Emmo-Reg nanipy grenady mandatsa-dranomaso nanilihana ireo olona rava fananana indray aza no nataony. Etsy an-kilany dia manao tazan-davitra ny Parlemantera ankoatra ireo manao tapi-maso amin’ny fanomezana vonjy tavanandro ho an’ireo traboina. Hatreto mantsy dia tsy mbola re hoe nisy fanadihadiana ataon’ny Parlemantera mikasika ity raharaha ity. Sao misy kolikoly avo lenta ka tokony hofaizina raha nisy kolikoly niseho, na iza na iza nahavanona izany ? Mihidy vava ny milaza ho tompon’ny tany nefa mahaliana ny maro ny mahalala hoe oviana marina, iza no tena nivarotra ireny tanim-panjakana ireny ary ohatrinona no tena nivarotana azy ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.