Actualités

Vondron’ny mpiasan’ny JIRAMA “Efa mandeha ny famarotana tsikelikely ny orinasa”


  • Alakamisy 24 Mey 2018

Omaly no nanao fanambarana tetsy amin’ny hotely Ny Railovy tetsy Andohanan’Analakely ireo vondron’ny mpiasan’ny JIRAMA.

 Tsy misy zavatra azo ianteheran’ny mpiasa intsony satria amin’ny taona 2020 dia efa lafo tanteraka ny JIRAMA, araka ny fanambaran’izy ireo. Tsy hisy mpiasan’ny jirama intsony amin’izay fotoana izay fa ireo mpandray antoka (prestataire) no hanao ny asa. Ny fivoriana farany nataon’ny minisitera teo aza moa dia efa saika hanova ny anarana (sigle) JIRAMA mihitsy ka nampitroatra tanteraka ny mpiasa. Hiady hatramin’ny farany izy ireo, indrindra amin’ny  antsojay sy ny ramatahora ataon'ny mpitantana. Miantso ny mpiasan’ny JIRAMA rehetra hanatevina ny tolona eny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Misy mantsy ny fampiadiana atao amin’ny samy mpiasa mba hamotehana tanteraka ny orinasa  ary hampizarazara azy ireo. Ankoatr’izay moa dia miantso ny mpanjifa hatrany izy ireo hanatona sy tsy hisorona mihitsy ny amin’ny fahatapahan-jiro sy ny olana mety mitranga hafa mba ho fanatsarana ny kalitaon’ny orinasa JIRAMA.


Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT