Actualités

Vondrona Kristiana Niala tamin’ny fahanginany


  • Alatsinainy 13 Desambra 2010

Ao ny andro ahanginana ary ao ny andro itenenana. Niala tamin’ny fahanginany ny Vondrona Kristiana ary naneho hevitra mikasika ny fandehan’ny raharaham-pirenena ary nanaitra ny sain’ny mpanao politika sy ireo raiamandrenim-piangonana ihany koa.

Efa ho 21 volana izao mbola miaina ao anatin’ny krizy ny firenena ary tsy mbola hita hatramin’izao ny vahaolana matotra hivoahana amin’izany. Koa manoloana ny zava-misy ankehitriny dia milaza ny Vondrona Kristiana fa tsy vahaolana mihitsy na oviana na oviana ny fanapenam-bava ankolaka na mivantana ny olona na sokajin’olona hilaza ny heviny. Avelao ny olona hiteny fa Malagasy izy ireny fa tsy vahiny. Tsy mitondra fanovana eto amin’ny firenentsika ny fanapenam-bava sy ny jadona ary ny famitahana.

Aoka izay manana andraikitra amin’ny fitondrana ny firenena, mba ho modely amin’ny fihavanana sy ny fitiavan-tanindrazana ary ny fitiava-namana. “Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana”, hoy ihany ity vondrona ity, izay nanamafy fa arakaraka ny mampitarazoka ny famahana ny olana sy ny tsy fifampihavanana no mampilentika ao anatin’ny fon’ny maro ny fifandrafesana sy ny fifankahalana ary ny fahantrana. Teny mifono anatra no nentin’izy ireo nanohizana ny fanambarana ka nilazany fa raiso ho tombontsoa ambonin’ny firenena ny famoahana ireo olona nogadraina noho ny fanehoan-keviny. Tsarovy fa efa tsy vahaolana intsony ny fanagadrana noho ny hevitra tsy mitovy,  hoy ny Vondrona Kristiana. Tsy hanana ny maha izy azy intsony ny firenena Malagasy raha miady an-trano (ady mivantana na ady mangatsiaka). Milaza ampahatsorana ny Vondrona Kristiana fa raha izao rehetra mitranga izao no mitohy dia ity repoblika fahefatra imatimatesantsika ity no repoblika fohy indrindra sady ho ratsy tantara indrindra.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT