Ho an’ny Vondron’ny olon-tsotra mitaky ny famerenana ny ara-dalŕna dia mpanangon-kevitra fotsiny fa tsy mpandrafitra sori-dalana hivoahana amin’ny krizy ny Dr Leonardo Simao iraka manokan’ny SADC.
Fandravonan-kevitra tahaka ny rehetra efa nisy teo aloha arak’izany fa tsy sori-dalana hivoahana amin’ny krizy tsy maintsy ampiharina ny voarafitra teny amin’ny Galaxy Andraharo araka ny fahitan’izy ireo azy. Mitaky tsy misy fepetra ny fahafahan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mody eto an-tanindrazana ihany koa ny Vondron’ny olon-tsotra mitaky ny famerenana ny ara-dalàna, izay ihany no tena vahaolana hoy ny solontenan’izy ireo. Nohamafisin’ity fikambanana ity fa kobaka am-bava fotsiny no nataon’ny FAT teto tato anatin’ny roa taona.
Nijanona ho fampanantenana fotsiny ilay hoe vary 500 ariary ny kilao sy ny menaka 2500 ariary ny litatra, nitombo ny herisetra sy ny tsy fandriampahalemana ary tena sahirana amin’ny lafiny rehetra ny vahoaka. Nanome tsiny ireo mpanao politika tia tena sy matim-boninahitra ihany koa ny Vondron’ny olon-tsotra mitaky ny famerenana ny ara-dalàna ary nilaza fa ny vahoaka irery no masi-mandidy eto Madagasikara fa nampindramina fahefana fotsiny ny mpanao politika sy ny mpitondra, koa tsy voatery ho marina sy tsy maintsy tanterahana arak’izany ny zavatra nokoninkononin’ny vondron’ny mpanao politika, izay hita matetika fa tsy mifanaraka akory amin’ny hetahetan’ny vahoaka, araka ity fikambanana ity ihany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.