Variana amin’ny resaka politika loatra ny mpitondra ankehitrio sy tompon’andraikitra ka adino hatramin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany natokana ho an’ny volotsangana na “bambou” ny rehetra. Sady harena goavana anefa no mahasoa ihany koa ny volotsangana, fa vitsy ny mahalala azy eto amintsika.
Ho fankalazana izany andro maneran-tany ny volotsangana izany, na tsy nomen-daja loatra aza, dia notontosaina tao amin’ny lapan’ny faritra Atsinanana ny taona faha-02 fankalazana izany ho an’i Toamasina ny sabotsy misandratr’andro teo. Ny taona 2009 no nankalaza ny andro maneran-tany voalohany ny volotsangana ny Malagasy. Tsara ho marihian fa ny taona 2004 i Madagasikara no efa mpikambana teo anivon’ny INBAR na vondron’ny tany (miisa 35 maneran-tany) misy sy mampiasa ny volotsangana. Karazana volotsangana miisa 35 amin’ireo 1.200 misy maneran-tany dia hita eto Madagasikara ary ireo tena tsara karazana sy be mpitady maneran-tany avokoa, raha karazany 03 monja no hita ao Afrika ka i Etiopia no ahitana ny 60%-n’izany. Ahitana azy avokoa ny ilan’ny atsinanana manontolo manomboka any SAVA hatrany Vatovavy Fitovinany, ka ny karazany 25 amin’izany dia maniry amin’ny velaran-tany 20.000km2 raha manodidina ny 2.000km2 ny karazany 10 ambiny. Tsy mbola fomba amam-panao eto amintsika anefa ny fambolena azy ity na ampiasaina amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina ambanivohitra aza, mbola voajanahary ny volotsangana misy eto amintsika hatramin’izao.
Tetikasa
Misy ny tetikasa hiarahana amin’ny FIDA izay hanana famatsiam-bola efatra hetsy sy iray tapitrisa dolara sy ny INBAR hampiasa vola sivy hetsy dolara, mikasika ny fitrandrahana sy fanodinana ary fambolena ity volotsangana ity. Maharitra telo taona ny tetikasa sy ny fandaharan’asa ka firenena efatra no hifampizara amin’ity famatsiam-bola ity dia i Madagasikara, Etiopia, Mozambika ary Tanzania. Ho an’i Madagasikara dia manomboka amin’ity taona ity (volana septambra 2010) ny fandaharan’asa izay tsy hifarana raha tsy ny taona 2013, ka Alananjorofo sy Analamanga no hanombohana azy avy eo hihitatra amin’ny faritra Atsinanana sy Sofia. Ny tanjona dia fanavaozana ny volotsangana misy eto amintsika. Hisy fambolena vaovao ho fiarovana ny tontolo iainana, fampitomboana sy fanatsarana ny fidiram-bolan’ny mpikirakira azy ireny, fanampiana ireo mpitrandraka sy mpanodina ny volotsangana eto amintsika. Ny tena ahazo tombontsoa amin’izany dia ny vehivavy mihary, ny olona tena sahirana nefa mivelona amin’ny fikirakirana ny volotsangana ary ireo fikambanana mpanao asa tanana mampiasa azy ireo.
Ankoatra izay, dia ahazoana fanafody ihany koa ny volotangana. Misy mampiasa azy amin’ny fampitomboana rononon’omby koa ny ravina noho izany, tahaka ny any Inde ka mampitombo 30% mihintsy; ary azo anamboarana vinaingitra koa izy ireny izay malaza sy lafo vidy any Azia sy Eorôpa ary Amerika.
ENCADRE
Ara-tsiantifika dia tsy hazo ny volotsangana fa karazana ahitra. Hafa kely ity zava-maniry ity satria aorian’ny famelarany, izay manodidina ny 10 hatramin’ny 50 taona, dia maty ny volotsangana. Raha ny fikarohana farany aza dia ny taona 1920 no famelarana naharitra indrindra hita farany tamin’ireo volotsangana tena goavana maneran-tany. Ity zava-maniry ity no tena mpitroka gazy karbônika (CO2) be indrindra, izany hoe afaka mitroka 12 taonina/ha/taona raha 3 taonina monja izany amin’ireo ala goavana. Azo hanadiovana rano misy vokatra simika koa ny volotsangana noho ny vatany hafa tokoa sy ny fomba fiainany manampy betsaka ny tontolo manodidina azy. Zava-maniry tsy mifidy tany haniriana ny volotsangana, ary tsara ambolena amin’ny tany tsy mamokatra loatra noho izy afa manampy ny fitomboany tsiron’ny tany manodidina azy, amin’ny alalan’ny fakany sy ny raviny mihintsana. Ny faritra Amerika Atsimo sy Amerika Latina, ny faritra Afrika atsimon’i Sahara, ary ny faritra Azia Atsimo Atsinanana no tena ahitana ny volotsangana. Tsy hita any Eorôpa sy Amerika Avaratra ary tendron-tany roa ny volotsangana. Maneran-tany dia any Chine avokoa no ahitana ny 80%-n’ny vokatra”.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.