Actualités

Volamena tratra teny Ivato Mifamahofaho be ny resaka


  • Talata 25 Janoary 2011

Hatramin’ny nahatrarana ireo volamena 3,5 kilao teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny 18 janoary teo dia mangingina be ihany, tsy nisy tohiny intsony ilay resaka.

Araka ny fanangonam-baovao izay natao teny an-toerana dia mifamahofaho ny resaka manodidina ireto volamena ireto. Nanamarika ireo mpandraharaha sasany eny amin’ity seranana ity fa tsy nisy ny fisavana olona tany anaty fiaramanidina izany tamin’io fotoana io. Nisy indray ireo nilaza fa gaga raha nahita tamin’ny haino amanjery iray ny hariva fa nisy fahatrarana volamena teny nataon’ny zandary. Ireo olona tompon’ilay volamena rehefa tratra dia tsy hita izay niafarany na aiza na aiza. Misy ihany koa ny loharanom-baovao izay milaza fa volamena efa nifanarahana saika haondrana ihany izy ireto saingy nivadika tampoka ireo mpiara-miasa ka izao niafara tamin’ny fahatrarana izao. Ny nahavariana tamin’ity resaka ity ihany koa dia ny tsy nahalalan’ny polisy mihitsy ny fisian’ireto volamena ireto tamin’io fotoana io. Tsy izy ireo ihany fa ny ladoany ihany koa.

Hatreto aloha izany dia vahiny tanteraka ny amin’izay toerana nahatrarana ireo olona nitondra ireo volamena ireo ny teny Ivato. Na ny tomponandraikitr’ilay fiaramanidina nolazaina fa tokony handehanan’ireo olona voalaza fa nahatrarana ireo volamena aza dia nanamarika fa tsy nisy olona nosavaina na nosamborina izany tao amin’ilay fiaramanidina. Tsy vitan’izay fa na ny tohin’ity raharaha ity aza dia tsy hita teny amin’ny Fitsarana. Aiza ny mangarahara ? Aiza ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly ? Ho hita eo moa ny tohin’ity raharaha ity sao misy ifandraisany amin’ilay fifampikasihan-tanana teo amin’ny polisy sy ny zandary miasa eny Ivato ny 14 janoary teo.

 
Rakoto Maxime
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT