Andro fahatelo amin’ny fitokonan’ireo mpiasa sasany eo anivon’ny ladoany “recettes” sy ny mpiasa eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina ary fitokonana faobe kosa ho an’ny mpiasan’ny ladoany momba ny solika, ny andro omaly.
Raha ny zava-nisy aloha dia nizotra tsy nisy sakana ny fikirakirana ny antontan-taratasy sy ny famoahana ny entana samy hafa, ny teo amin’ny mpiasa fotsiny no nisy ny miasa no misy koa ny mitokona tsy mandray asa mihitsy. Mba hisian’ny fifanazavana teo amin’ny mpiasa mitokona sy ny Tale jeneralin’ny fadintseranana, izay takian’ny mpiasa mitokona ny fanalana azy, dia nisy ny fihaonana teo amin’ny roa tonta omaly maraina tao amin’ny biraon’ny fadintseranana, Ampasimazava Toamasina.
Tsy miasa, tsy misy karama
«Tsy azo ekena raha ny fitakiana tombontsoan’ny mpiasan’ny fadintseranana no hibahanana ny raharaham-pirenena sy tsy ampidim-bola ny kitapom-bolam-panjakana amin’izao firenena efa sahirana izao», hoy ny nambaran’ny Tale jeneralin’ny ladoany Vola Razafindramiandra teo antrehan’ireo mpiasa, mitokona sy tsy mitokona. Nohamafisiny hatrany fa «izay tsy miasa tsy mahazo karama, izay volam-bahoaka ; noho izany hampiharina amin’izay mitokona sy tsy mampihodina ny raharaham-panjakana ary mampikatso ny fidiram-bolan’ny fanjakana, ny lalàna misy momba ny mpiasa. Midika izany fa izay mitokona dia ho tapaka avy hatrany ny karamany».
Tsy naharitra ela ny fihaonana fa 20min monja dia rava. Tao anatin’izay tsy fantatra mazava ny tena ho tohin’ny fitokonana eo amin’ny mpiasan’ny ladoany sasany, fa ny fitakiana mitohy hatrany. Raha ny omaly aloha dia tsy nisy ny famoahana solika teo anivon’ny ladoany Manangareza.
Ankoatra izay, tsy hita loatra ny fiovana tamin’ny antontan-taratasy voakirakira teo anivon’ny ladoany, na teo aza ity fitokonan’ny mpiasa sasany ity. Mbola niditra tahaka ny mahazatra ihany ny volam-panjakana amin’ny hetra, afa tsy ny tapak’andro voalohany ny fitokonana ihany izay nametrahana mpiasan’ny ladoany gadana ny varavarana miditra ny biraon’ny “Inspecteurs” misahana ny antontan-taratasin’entana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.