Actualités

“Vola” hita tao an-tranony Jly Noel Ny lelavola no an’ny Raiamandreny Mijoro


  • Alakamisy 09 Desambra 2010


Vola efa mananika ny 100 tapitrisa ariary no sarona tao an-tokantranon’ny jeneraly Rakotonandrasana Noel tamin’ny fisavana ny tranony noho ireny raharaha BANI Ivato ireny. Izy moa dia anisan’ny mpikambana tao amin’ny Komity miaramila ho fanavotam-pirenena ny 17 novambra lasa teo izay ambaran’ny FAT ho mikotrika fanonganam-panjakana. Raha ny tsiliantsofina dia mitentina 80 tapitrisa ariary teo ho eo ny vola tao an-tranony miampy taratasimbola telo izay mitotaly hatrany amin’ny 20 tapitrisa ariary. Rehefa nampanantsoina teny amin’ny zandary Ankadilalana ny pastera Ramino Paul, filohan’ny Raiamandreny Mijoro, dia nanamarina ny tenany fa mpitahiry vola tao amin’ity fikambanana ity tokoa ny jeneraly Rakotonandrasana Noel ary an’ny Raiamandreny Mijoro tokoa ireo lelavola. Tamin’io fotoana io ihany dia nomena an’ny pastera ilay ambim-bola. Momba ireo taratasimbola telo dia nilaza mazava kosa ny jeneraly Razafitombo Léon izay mpikambana ao amin’ny Raiamandreny Mijoro koa fa tsy fantany ny tompon’ireo. “ Tsy an’ny fikambanana misy anay mihitsy ireo”. Miandry ny fitsarana azy any am-ponjan’i Tsiafahy moa ny jeneraly Noel ka tsy afaka manome ny heviny momba ireo volabe ireo. 

Yves  
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT