Ny 25 ka hatramin'ny 27 jolay ho avy izao no hotanterahina voalohany etsy amin'ny Lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina ny «Salon de la Nouvelle Technologie» andiany voalohany, karakarain'ny Showbiz Company.
Hetsika natao indrindra hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa rehetra eto amintsika io, tsy ho tara amin'ny fivoarana efa misy any ivelany amin'ireo karazam-pitaovana toy ny finday avo lenta ... Nandritra ny fanokafana ny tsenaben'ny sakafo sy ny lakozia tetsy amin'ny ESCA Antanimena omaly no nahafantarana izany. Haharitra efatra andro ny hetsika ahitana ireo karazana sakafo sy kojakojan-dakozia amin'ny vidiny any amin'ny orinasa mpamokatra.
Andiany fahatelo izy ity, izay hiandrasana mpitsidika hatrany amin'ny 25.000 isa any ho any. Ny tanjona moa dia ny mba hahafahan'ny mpianakavy miantsena amin'ny vidiny mirary sady mety amin'ny fahefa-mividin'ny rehetra. Ny 31 Oktobra ho avy izao indray no hanatanterahana ny andiany fahefatra saingy etsy amin'ny Lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina indray no toerana hanaovana izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.