Actualités

Vokatry ny krizy Orinasa 6 voatery niato, 13 hafa nandroaka mpiasa


  • Zoma 28 Janoary 2011

Mbola taona tsy nampisy fifaliana ho an’ny mpiasa Malagasy tao Toamasina iny taona 2010 nivalona iny.

Tao anatin’ny roa taonan’ny krizy mantsy dia tsy nitsahatra nitombo ireo tsy an’asa tao Toamasina, izay mbola niampy 659 koa ny taona 2010 nivalona iny, vokatry ny fampiatoana nataon’ny orinasa ny mpiasany sy ny fidiran’izy ireo fiatoana ara-teknika noho ny olana ara-bola vokatry ny krizy teo amin’izy ireo.

 Raha jerena dia nahatratra enina indray ireo orinasa niditra fiatoana ara-teknika ny taona lasa, ka mpiasa 160 no voatery nanampy isa ireo tsy an’asa indray ny taona lasa iny. Orinasa niisa 13 kosa no nampihena ny mpiasany vokatry ny olana ara-bola sy ny tsy fisian’ny tsenany, ka mpiasa niisa 499 kosa ireo nanampy isa ny efa tsy miasa ao Toamasina. Orinasa ara-barotra sy famoahana entana eo anivon’ny ladoany ary miantoka fiarovana (sécurité) avokoa ireto voatery nanala mpiasa ireto. Raha nanontaniana ny anton’izany ny tompon’andraikitry ny asa sy ny asam-panjakana Atsinanana, dia nanamarika fa «raha ny taratasy filazana nataon’ireo orinasa ireo teto aminay, dia vokatry ny olana ara-bola nateraky ny krizy ka tsy mampisy ny tsena sy ny fihenan’ny fahatongavan’ny sambo mitondra ny entana ary ny fahavitsian’ny mpanjifa izay tsy manam-bola ihany koa, no antony nidiran’izy ireo tamin’izao fampiatoana mpiasa izao». Fantatra kosa anefa fa tsy nisy ny orinasa tena nikatona ny taona lasa teo raha ny fanazavana azo ihany.
 
Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT