Actualités

Vokatry ny krizy Mitombo isa ireo marary saina


  • Alarobia 30 Aprily 2014

Misy fiantraikany amin’ny isam-batan’olona tokoa ny krizy politika. Vokatry ny tsy fananana asa, ny olan’ny tokantrano dia mihamaro ireo manary dia amin’ny toaka, rongony ka zary mamoafady manolana na koa mangalatra.

 Nilaza ny fikambanana tsy miankina italiana  RTM (Reggio Terzo Mondo) izay miasa any amin’ny Faritra Amoron’i Mania fa mitombo isa ireo olona voan’ny fikorotanan-tsaina mba tsy hilazana fa marary saina any an-toerana. Noho ireo olona ara-tsosialy notanisaina teo ireo no nahatonga izany fihamaroan’ny olona tratry ny aretin-tsaina izany, hoy Rasamoelina Damy tomponandraikitra ara-teknika ao amin’ny RTM. Vao nifarana moa ny tetikasa nosahanin’ity farany sy ny Centre Akanin’ny Marary ao Ambositra izay niasa tamina Kaominina 25. Nahatratra 2000 kosa ireo marary nokarakarainy tao anatin’ny 3 taona niasany tany an-toerana. Nomarihan’i Damy Rasamoelina fa tsy dia misy fijerena loatra ny momba ireo marary saina nefa tena misy voka-dratsy ara-tsosialy sy ara-toekarena izy io. Sady vitsy ny tobim-pahasalamana mandray an-tanana ireny marary ireny no tsy ampy ny fanafody ary ao koa ny fanilihana azy ireo na dia eo anivon’ny fianakaviany aza. Mikasa hametraka tetikasa fandraisana an-tanana ara-pahasalamana ireo marary saina amina faritra 5 hafa ny fanjakana miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT