Niovaova be mihitsy ny toetr’andro teto amintsika tato ho ato. Ankoatra ny hatsiaka izay efa mahazatra isaky ny vanim-potoana tahaka izao dia tonga ihany koa ny hafanana izay efa mihoatra ny 25 °C ho antsika eto an-drenivohitra.
Mihamahazo vahana ny kohoka sy ny sery izay mahazo ny sarababem-bahoaka. Ho an’ny kohoka manokana dia mety hanempotra na hiteraka fanaviana mihitsy izy ireny. Tsotra ihany anefa ny vahaolana hahafahana miady aminy, hoy dokotera Fidy Bariniaina. Tsara raha atao azon’ny masoandro sy ny rivotra ny efitrano hatoriana fa tsy avela hihiboka. Mety foana ihany koa ny mitondra akanjo mafana tsy tapaka ankoatra ny fihinanana legioma sy voankazo hahafahana mampitombo ny hery fiarovana. Ho an’ireo manan-janaka madinika mbola mivalan-drano anaty fandriana dia nomeny toromarika manokana ireo ray aman-dreny hitsapa matetika ny zanany hisorohana ireo karazan’aretina mety ateraky ny hatsiaka. Ho an’ireo olona efa voa kosa dia tsara ho azy ireny ny manampim-bava rehefa mikohoka na mievina hisorohana ny mety ho fifindran’ny aretina amin’ny hafa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.