Actualités

Vokatry ny dokambarotra Zaza enin-taona nihidy tao anaty "congélateur"


  • Zoma 18 Aprily 2014

Saika nahafaty zaza vao 6 taona tao Andranomadio Toamasina omaly maraina ny fijerena dokambarotra ranomboakazo mandeha amin'ny fahitalavitra tato ho ato.

 Mampiseho rangahy iray mba te hangatsiatsiaka ka nitsofoka tao anaty "congélateur" ilay dokambarotra ka io no naverin’ilay zaza. Vao tsy hitan’ny reniny ity farany dia nitady azy eran'ny trano izy, ka tamin’izany no nandrenesany zavatra midondona avy ao anaty vata fampangatsiahana. Nosokafany ilay izy ka hagagana ny azy fa ny zanany efa nangatsiaka sy efa somary nalemy no nivoaka avy ao. Raha nanontaniany ny antony nidirany tao anaty vata fampangatsiahana ilay zaza dia nilaza mazava ity farany fa «ilay vazaha be amin'ny tele aza nanao izany fa te-hangatsiatsiaka dia mba nataoko koa fa nafana be aho». Saika loza !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT