Actualités

Vohilava- Mananjary Alain’ny Sinoa andro alina ny volamena


  • Alakamisy 06 Septambra 2018

Tantara mitohy ny fitrandrahana volamena ataon’ny orinasa sinoa Mac Lai Sime Gianna (M.L.S.G.) ao Vohilava, Distrikan’i Mananjary.

 

 

Nanohitra azy io ny fokonolona ary mafy mihitsy ny hetsi-panoherana. Nakaton’ny “Police des Mines » ilay toeram-pitrandrahana tamin’ny 30 desambra 2017. Misosoka mangina tao indray anefa ilay fitrandrahana nanomboka tamin’ny 3 aogositra 2018, ary taratasy famitana iraka hitsirika fandikan-dalàna sy hanala ireo fitaovana nitrandrahana no nohararaotina ho fanomezan-dalana hanohy. Tezitra ny fokonolona ary nisy hetsi-panoherana goavana indray niseho tamin’ny 25  aogositra 2018 tsy mankasitraka ny fitrandrahana volamena amin’ny reniranon’Isaka, kaominina Vohilava. Manao latsak’alina maka volamena ilay orinasa nanomboka tamin’ny 6 aogositra 2018, izay nisy fiatoana vonjimaika tamin’ny 23 aogositra. Miantso ny handraisan’ny fanjakana fepetra amin’io orinasa io ny mponina any an-toerana.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT